Nitohy teto amin’ny CSB 1 Masikamalona, ny fidinana tampoka izay tanterahin’ Andriamatoa Ministry ny Fahasalamam-bahoaka aty amin’ny distrikan’ Arivonimamo, Faritra ITASY amin’izao Alahady izao.

Tsy miova ny tanjona, tohizana ny ezaka efa natomboka amin’ny fanatsaràna ny kalitaon’ny tolotra ara-pahasalamana omena ny vahoaka, na ny lafiny fandraisana io, na ny fikolokoloana ny foto-drafitr’asa iombonana, ny fanajana ny fahadiovana sy ny fandaminan’ asa. Notsindrina manokana hatrany ny fampiharana ny « 5S ».

#Velirano_fahadimy.
#Fahasalamana_ho_an_ny_rehetra_tsy_anavahana_sokajin_taona.

SCM/DirCom-MSANP