1. Mitsidika ny CSB 1 ALATSINAINY LOHARANO – SDSP Arivonimamo – DRSP Itasy, Andriamatoa Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka amin’izao fotoana izao.

Tanjona araka ny nambarany ny hijerena mivantana ny zava-misy eny ifotony, ahafahana mitondra ny fanatsarana, na ny lafiny fandraisana marary, na ny lafiny fahadiovana, ny fitaovana sy fandaminana ny foto-drafitr’asa, noresahany manokana tamin’ izany ny fampiharana ny « 5S ».

Asa avy hatrany ity fa tsy kabary, tohizana hatrany ny ezaka efa natomboka amin’ny fanatanterahana ny programa ankapoben’ny Fanjakana sy ny velirano faha 5.

SCM/DirCom-MSANP