Mitohy ny ady amin’ny valanaretina Covid-19, mirindran-dalana amin’izany ihany koa ny fanamafisana ny rafi-pahasalamana ho fanatanterahana ny velirano fahadimy.

Manao tohy vakana ireo mpiaramiombonantoka mifanome tanana amin’ny Fanjakana Malagasy amin’ny alalan’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka, anisan’ izany ny ONG PIVOT izay nanolotra: « masques chirurgicaux » 1.664.000 isa, « gants » 1.000.000 isa, « écrans façiaux » 33.000 isa izay mitentina 130.948 Dolara Amerikanina ary ho ampiasain’ireo mpanentana ara-pahasalamana rehetra manerana an’i Madagasikara izay isan’ireo mirotsaka an-tsehatra amin’izao ady iraisana izao.

Teny amin’ny Foiben’ny SALAMA Anosiala no nanolorana tamin’ny fomba ofisialy ireo fitaovana ireo androany 31 Aogositra 2021 tolakandro. Nandray izany teny an-toerana ny Delegasiona avy amin’ny Ministera izay notarihan’ Andriamatoa Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka.

Tsapa araka izao fa tsy mikely soroka ny Fitondram-panjakana ankehitriny sy ireo Mpiaramiombonantoka amin’ny fiarovana ny mpiasan’ny fahasalamana eo am-panatanterahana ny asany.

#Isika_rehetra_miara_mandresy_ny_covid_19
#MSANP
#PIVOT
#SALAMA

SCM/DirCom-MSANPF