Mizotra tsara ny hetsika fizarana foabe maimaimpona Lay misy odimoka maharitra hiarovana ny vahoaka malagasy amin’ny aretina tazomoka izay anisan’ireo aretina mbola miteraka taham-pahafatesana ambony eto amintsika.
Anisan’ny nisitraka izany ireo vahoaka ao amin’ny faritra Anosy.
Tsara ny manamarika fa miisa dimy ambin’ny folo tapitrisa (15.000.000) ny lay misy odimoka zaraina mandritra ity andiany 2021 ity, ary mponina mihoatra ny roa ambin’ny roapolo tapitrisa (22.000.000) no misitraka maimaimpoana izao fizarana lay izao manerana ireo distrika 101 ao anatin’ny faritra 21 izay mbola ahitana taha-na tazomoka ambony eto amintsika.
« Aleo misoroka toy izay mitsabo », mitohy hatrany araka izany ny ezaka ataon’ny Fitondram-panjakana ankehitriny sy ireo mpiaramiombonantoka amin’ny fiarovana ny vahoaka manoloana ny aretina sy ho fanatanterahana ny velirano fahadimy dia ny hananan’ny tsirairay isam-batan’olona fahasalamana mendrika ary tsy anavahana sokajin-taona izany.
« Arovy amin’ny tazomoka ny ankohonanao, matory mandava-taona ao anaty lay misy odimoka maharitra ».
Fanazavana fanampiny mikasika ny ady amin’ny tazomoka; manasa anao am-panajana hitsidika ny pejy Programme National de Lutte contre le Paludisme Madagascar
SCM/DirCom-MSANP