Nanomboka tamin’ity herinandro ity ny fanaovam-baksiny « Johnson & Johnson » teto amin’ny Faritra Analamanga ka ny teto anivon’ny Distrikan’ Antananarivo Renivohitra sy ny manodidina (Grand Tana) no nanombohana izany araka ny fampitam-baovao voaray avy amin’ny Fitaleavam-paritra misahana ny fahasalamam-bahoaka eto Analamanga.
Araka ny fandaminana izay napetraka dia ireo Zokiolona mihoatra ny 55 taona, ireo olona izay manana aretina mitaiza (aretin’ny fo sy ny lalan-drà, diabetika…), ireo mpiasan’ny fahasalamana, ireo mpitandro ny filaminana sy ireo mpisehatra ara-tsôsialy izay mifandray mivantana amin’ny vahoaka ka mbola tsy nanao vaksiny covishield no misitraka mialoha izao fanaovam-baksiny izao.
FANDAMINANA VAOVAO :
Manomboka rahampitso 02 Septambra 2021 dia eny amin’ny
– Vaccinodrome HJRB Befelatanana no toerana ahafahantsika misitraka ny vaksiny Johnson-Johnson.
– Vaccinodrome CHUJRA Ampefiloha no toerana hanatanterahantsika ny vaksiny andiany faharoa (2è dose) Covishield/AstraZeneca.
————————-
– Eny anivon’ny CSB : Afaka mandray izay manao vaksiny 2è Dose AstraZeneca/Covishield sy ireo manao vaksiny Johnson & Johnson.
Ankasitrahana hatrany isika rehetra amin’ny fanarahana ny lamina napetraka.