Niainga omaly Alahady avy eny Iavoloha ny « Caravane médicale » hanolotra fitsaboana maimaim-poana ho an’ireo vahoaka any amin’ny Faritra Alaotra Mangoro sy ny Faritra Antsinanana, ambany fitarihan’ny Fiadidiana ny Repoblika amin’ny alalan’ny « Direction des Affaires Sociales et Politiques de la Présidence », ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka ary ireo Mpiaramiombon’antoka aminy.

Ady telo sosona no imasoan’ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka ankehitriny : ny tazomoka, ny pesta ary ny valanaretina Coronavirus. Manoloana ny ady amin’ny tazomoka, mitohy ny fizarana lay misy odimoka maharitra any amin’ireo Faritra izay voatendry. Tafiditra tanteraka anatin’ny « Période pesteuse » ihany koa isika ankehitriny araka ny lahatenin’dRamatoa Sekretera Jeneralin’ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka Dr RASAMOELINA Fanjabololoniaina Dominique, tsy niandry ela fa efa nidina ifotony nijery ireo trangana pesta tany amin’ny Kaominina Miandrandra Distrika Arivonimamo Faritra Itasy ireo tompon’andraikitra ary nandray avy hatrany ireo fepetra mifandraika amin’izany. Manentana hatrany ny vahoaka, indrindra indrindra fa ireo Mpiasan’ny Fahasalamana Ramatoa Sekretera Jeneraly hanatanteraka ny vaksiny fanefitry ny Covid-19 mba hisorohana ny fahatongavana amin’ny tranga misy fahasarotana.
Ety am-pamaranana, tapitra hatreo ny hamehana ara-pahasalamana araka ny tatitry ny filan-kevitry ny Minisitra izay nivoaka ny Zoma 3 Septambra lasa teo, entanina hatrany anefa ny tsirairay hanaja hatrany ireo fepetra sakana, mbola mitohy ny ady amin’ny valanaretina Covid-19.
——————————————–

La « Caravane Médicale » a quitté Iavoloha hier dimanche afin d’octroyer des soins médicaux gratuits aux populations de la Région Alaotra Mangoro et de la Région Est, sous le lead de la Présidence de la République à travers la « Direction des Affaires Sociales et Politiques » de la Présidence, le Ministère de la Santé Publique et ses Partenaires. Le Ministère de la Santé publique combat actuellement trois guerres : le paludisme, la peste et le coronavirus. Face à la lutte contre le paludisme, la distribution des Moustiquaires à Imprégnation Durable se poursuit dans les Zones désignées. Selon les dires du Secrétaire Général du Ministère de la Santé Publique, le Dr RASAMOELINA Fanjabololoniaina Dominique, nous sommes désormais également pleinement impliqués dans la « Période pesteuse ». Mais aussi, face à la pandémie de Covid-19, Madame le Secrétaire Général incite tout un chacun, en particulier les agents de santé, à se faire vacciner contre la Covid-19 afin d’éviter les cas de formes graves. En conclusion, l’urgence sanitaire est terminée selon le rapport du Conseil des ministres rendu public Vendredi dernier, mais chacun est toujours invité à respecter les gestes barrières, la lutte contre l’épidémie de Covid-19 n’est pas encore terminée.