Ho fanamafasina ny ady aminโ€™ny valanโ€™aretina pesta izay napetraky ny fitondram-panjakana aminโ€™ny alalanโ€™ny Ministeranโ€™ny Fahasalamam-bahoaka izay entina hamehezana ny valanโ€™aretina pesta dia nanantanteraka fidinana ifotony teo anivonโ€™ny CSB Miandrandra distrikanโ€™Arivonimamo ireo delegasiona izay notarihinโ€™ny tale jeneraly ny fisorohana ara-pahasalamana (DGMP) niaraka taminโ€™ireo solotenanโ€™ireo mpiaramiombonโ€™antoka ho fanaraha-maso ireo paikโ€™ady rehetra napetraka hiadiana aminโ€™ny aretina.
Nisy arakโ€™izany ny fizarana ireo fitaovana izay entina miady aminโ€™ny valanaretina ho anโ€™ny mpiasanโ€™ny fahasalamana, toy ny :
-Aro loha
-Aro vava orona
-Aro-tanana sy aro-kiraro sy kiraro
-Blouse
Hisy ihany koa ny fizarana ireo fanafody izay entina mandray an-tร nana sy mitsabo ireo marary.
Eo ihany koa ny fitiliana ireo olona izay ahiahiana hitondra ny tsimokaretina.