Ny famerenana ny fitokisan’ny vahoaka eo amin’ny fandraisana an-tanana ny marary no hifotoran’ny fitondram-panjakana ankehitriny; sarotiny ary manaja izany fatratra ny Ministeran’ny fahasalamam-bahoaka ka anisan’ny notsidihan’ny Talen’ny Fitaliavana misahana ny tolotra fahasalamana, Dr Rado RAFIMAHATRATRA araka izany ny CHU Analakinina nandritra ny fandalovana teto amin’ny renivohi-paritra Atsinanana.
Hita nandritra ny fitsidihana fa mampihatra sy mandala io filamatra napetraka io ity hopitaly lehibe iray ity.
Manana ny mampiavaka azy tanteraka ihany koa anefa ity hopitaly eto Analankinina ity ankoatra ireo fenitra takiana eo amin’ny lafiny fitsaboana raha tsy hilaza ny fananan’izy ireo ny tontolo maitso ahafahan’ireo marary sy ny mpiandry marary miaina anaty tontolo madio.
Hita ihany koa fa nitombo tanteraka ny tahan’ny fanatonan’ny olona ity hopitaly lehibe ity.