Isan’ireo laharam-pahamehan’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka ankehitriny ny fanatrarana ny velirano fahadimy izay napetraky ny Filohan’ny Repoblika dia ny ยซย Fahasalamana ho an’ny daholobe tsy anavahana sokajin-taonaย ยป.
Tafiditra anatin’izany ny fanatsarร na ny kalitaon’ny fandraisana, ยซย humanisation des soinsย ยป, sy ny fanatsarร na ny tolotra omena ny vahoaka eny anivon’ny Tobimpahasalamana ary ny fananganana foto-drafitrasa.
Nambaran’ny Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka Prof. RANDRIAMANANTANY Zely Arivelo tamin’ity andro androany ity fa manomboka eto dia tsy ireo izay ho tsaboina ihany akory no hisitraka ny ยซย humanisation des soinsย ยป fa mendrika hisitraka izany ihany koa ireo Mpiasan’ny fahasalamana.
Etsy an-daniny, mitohy hatrany ny ady amin’ny tazomoka, ny pesta ary ny fanaovam-baksiny fanefitry ny Covid-19 manerana ny Nosy. Araka izany, ho tonga amin’ity herinandro ity ny vaksiny 300.000 fatra izay novokarinโ€™ny orinasa sinoa Sinopharm.
Hentitra Andriamatoa Minisitra nanambara fa mila tohizana hatrany ny fanarahana ireo fepetra sakana izay anisanโ€™ireo nahitana fahombiazana amin’ny ady aminโ€™ny valanaretina Covid-19.
Notsindriany manokana taminโ€™ izany ny tokony hampiasaintsika hatrany ny arovava-orona izay miaro antsika aminโ€™ny aretina hafa toy ny aretin’ny taovam-pisefoana fa tsy ny Covid-19 irery ihany. Toy izay ihany koa ny fanasร na tanana aminโ€™ny rano sy savony izay tokony hitoetra ho fahazarana, hiarovana aminโ€™ny trangana aretina maro.
Nandritra ny fananganan-tsaina androany ihany koa no nampahafatarana anโ€™ Andriamatoa Tale Jeneralinโ€™ny Famatsiana ara-pahasalamana (DGFS), Dr Rado RAZAFIMAHATRATRA.
SCM/DirCom-MSANP