25 septambra Andro Maneratany ho an’ny Farmasianina :

Mitร na anjara toerana lehibe eo amin’ny sehatry ny fitsaboana sy ny fandraisana an-tร nana ny marary ny kalitaon’ ny fanafody ampiasaina.

Fanafody azo antoka, manaraka ny fenitra takiana ary nahazo alalana (AMM) no hita sy tsinjaraina eny anivon’ny farmasia na miankina na tsy miankina amin’ny fanjakana.

Nankalazaina androany 25 septambra teny Andrainarivo ny andro Maneratany ho an’ny farmasianina. ยซย Ny farmasia, toky miara-dalana amin’ny fahasalamanaoย ยป no lohahevitra nentina nanamarihana izany tamin’ity taona 2021 ity.

Tonga nanome voninahitra ny fankalazร na , Prof. RANDRIAMANANTANY Zely Arivelo Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka. Ny Fitondram-panjakana ankehitriny dia maneho fisaorana ny fiankaviambe ny farmasianina tamin’ny anjara biriky goavana nentiny tamin’ny fiatrehana ny covid-19 teto amintsika.

Ampatsiahivina isika fa voararan’ny lalร na ny mivarotra fanafody tsy nahazoana ร lalana izay mety hiteraka olana ho an’ny fahasalamam-bahoaka. Entanina araka izany isika rehetra hanjifa ny fanafody eny amin’ny toeram-pivarotana ara-dalร na izay efa natokana ho an’ izany ihany.

SCM/DirCom-MSANP