TANORA SALAMA, TANORA FILAMATRA, HO AVIN’NY FIRENENA
Taorinan’ny Toamasina sy Manakara dia notokanana androany ihany koa ny Zoro ho an’ny Tanora na « coin jeune » teto amin’ny Renivohi-paritra Atsimo Andrefana eto Toliara tao amin’ny Collège de Référence.
Ny tetikasa dia miompana indrindra amin’ny fanomezana traikefa ireo tanora manoloana ny herisetra sy ny zava- mahadomelina ary indrindra indrindra ny fitaizana ara-nofo, hisorohana ny vohoka aloha loatra na vohoka tsy irina sy ampahafantarana azy ireo ihany koa ny tokony ho fantatra rehetra mahakasika ny taovam-pananahana mba hanana’izy ireo fitondran-tena mendrika.
Tanora 20 voahofana no nitarika ny lalao sy ny fanentanana ka nozaraina « certificat « raha nahazo fampiofanana telo andro teto an- toerana mba ho fitaratra.
Ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka sy ny Ministeran’ny Fampianarana ary ny USAID ACCESS izay mpanohana ny tetikasa no miara misalahy manatanteraka izao hetsika izao.
——-
Un troisième coin jeune a été inauguré ce 24 septembre dans l’enceinte du Collège Référence situé dans la Commune Urbaine de Tuléar.
Cet espace est dédié à la sensibilisation, à l’éducation et aux échanges des idées entre les jeunes.
La mise en place de »ce coin jeune » vise à améliorer le bien-être des jeunes, essentiellement en matière de santé de la reproduction, et de sensibilisation sur les dangers de la drogue et de l’alcool en milieu scolaire ainsi que la violence.