TANORA SALAMA, TANORA FILAMATRA, HO AVINโ€™NY FIRENENA
Taorinan’ny Toamasina sy Manakara dia notokanana androany ihany koa ny Zoro ho an’ny Tanora na ยซย coin jeuneย ยป teto aminโ€™ny Renivohi-paritra Atsimo Andrefana eto Toliara tao amin’ny Collรจge de Rรฉfรฉrence.
Ny tetikasa dia miompana indrindra amin’ny fanomezana traikefa ireo tanora manoloana ny herisetra sy ny zava- mahadomelina ary indrindra indrindra ny fitaizana ara-nofo, hisorohana ny vohoka aloha loatra na vohoka tsy irina sy ampahafantarana azy ireo ihany koa ny tokony ho fantatra rehetra mahakasika ny taovam-pananahana mba hanana’izy ireo fitondran-tena mendrika.
Tanora 20 voahofana no nitarika ny lalao sy ny fanentanana ka nozaraina ยซย certificat ยซย raha nahazo fampiofanana telo andro teto an- toerana mba ho fitaratra.
Ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka sy ny Ministeran’ny Fampianarana ary ny USAID ACCESS izay mpanohana ny tetikasa no miara misalahy manatanteraka izao hetsika izao.
——-
Un troisiรจme coin jeune a รฉtรฉ inaugurรฉ ce 24 septembre dans l’enceinte du Collรจge Rรฉfรฉrence situรฉ dans la Commune Urbaine de Tulรฉar.
Cet espace est dรฉdiรฉ ร  la sensibilisation, ร  l’รฉducation et aux รฉchanges des idรฉes entre les jeunes.
La mise en place de ย ยปce coin jeuneย ยป vise ร  amรฉliorer le bien-รชtre des jeunes, essentiellement en matiรจre de santรฉ de la reproduction, et de sensibilisation sur les dangers de la drogue et de l’alcool en milieu scolaire ainsi que la violence.