VOIN-KAVA MAHATRATRA

๐Ÿ‘‰Nanoloana ilay lozam-pifamoivoizana nitranga omaly tao ANTEZA (PK 305+400) RN 7 Kaominina Fiadanana, Distrika Ambohimahasoa, Faritra Matsiatra Ambony dia :

โœ”๏ธNandray ny andraikiny avy hatrany ny Fitondram-panjakana tany an-toerana zay notarihan’ Andriamatoa Governoranโ€™ny Faritra Matsiatra Ambony ary notronin’ireo Olomboafidy sy Manampahefana isan-tsokajiny any an-toerana (Solombavambahoaka, Prefet, Lehiben’ny Distrika, ny solotena avy aminโ€™ ireo Ministera samihafa, ny mpitandro ny filaminana…) ary ny Fitaleavam-paritry ny fahasalamam-bahoaka ao Matsiatra Ambony sy Amoron’i Mania izay nisolotena ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka.

โœ”๏ธNifanome tร nana ny rehetra, tamin’ny vonjy aina, ny fitaterana ireo niharam-boina hihazo ny Tobimpahasalamana. Marihina fa MAIMAIM-POANA avokoa ny fandraisana an-tanana ny FITSABOANA sy ny FANARAHA-MASO ny toe-pahasalaman’ izy ireo. 14 ireo noraisina an-tanana ka 12 ao aminโ€™ny CHU Tambohobe, 02 ao aminโ€™ny CSB II Camp Robin. Olona 12 hafa kosa no namoy ny ainy araka ny fampitam-baovao voaray izao atoandro izao.

โš ๏ธMaro ireo lozam-pifamoivoizana niseho tato ho ato ka namoizana aina maro. Ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka dia miondrika am-panajana manoloana ireo namoy ny ainy, mirary fahasitranana haingana ho anโ€™ireo manaraka fitsaboana ary manentana antsika mpampiasa lร lana, ho malina sy hitandrina mandrakariva satria lahitokana ny aina.

#Aleo_misoroka_toy_izay_mitsabo

SCM/DirCom-MSANP