๐—”๐—ป๐—ฎ๐—น๐—ฎ๐—ธ๐—ฒ๐—น๐˜† , ๐—”๐—น๐—ฎ๐˜๐˜€๐—ถ๐—ป๐—ฎ๐—ถ๐—ป๐˜† ๐Ÿญ๐Ÿด ๐—ข๐—ธ๐˜๐—ผ๐—ฏ๐—ฟ๐—ฎ ๐Ÿฎ๐Ÿฌ๐Ÿฎ๐Ÿญ I
Araka ny filan-kevitry ny Ministra ny alarobia 13 Oktobra 2021 lasa teo, izay manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2019-0407 tamin’ny 20 martsa 2019, dia voatendry ho Talen’ny Fitaleavana misahana ny fahasalaman’ny Fianakaviana (DSFa) eto anivon’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka ny Dr LOVAHASINA Vahatriniaina.
Tontosa androany tolakandro tetsy amin’ny DSFa Analakely ny famindram-pitantanana teo aminy sy ny Tale teo aloha, Dr TIDAHY Noromalala Sylvie. Nanome voninahitra izao famindram-pitantanana izao Dr Fidy RANDRIATSARAFARA, Tale Jeneraly misahana ny fisorohana ara-pahasalamana (DGMP).
Nanambara ny Tale vaovao fa ย ยป Ho tohizana ny ezaka efa natao, napetraka ny fanamby goavana izay hanomezana tolotra mahafa-po sy mendrika ho an’ny vahoaka ยซย .
SCM/DIRCOM-MSANP