“𝗙𝗢𝗡𝗗𝗦 𝗗’𝗨𝗥𝗚𝗘𝗡𝗖𝗘 𝗦𝗔𝗡𝗜𝗧𝗔𝗜𝗥𝗘” : 𝗠𝗜𝗦𝗜𝗧𝗥𝗔𝗞𝗔 𝗜𝗭𝗔𝗡𝗬 𝗔𝗩𝗬 𝗛𝗔𝗧𝗥𝗔𝗡𝗬 𝗡𝗬 𝗠𝗔𝗥𝗔𝗥𝗬 𝗠𝗔𝗡𝗘𝗥𝗔𝗡𝗔 𝗛𝗢𝗣𝗜𝗧𝗔𝗟𝗜𝗠-𝗣𝗔𝗡𝗝𝗔𝗞𝗔𝗡𝗔
𝗔𝗹𝗮𝗵𝗮𝗱𝘆 𝟭𝟳 𝗼𝗸𝘁𝗼𝗯𝗿𝗮 𝟮𝟬𝟮𝟭 |
Tsy niandry ela fa taorian’ny fanaovan-tsonia ny zoma lasa teo ho fametrahana ny “Fonds d’Urgence Sanitaire National”, nataon’ny Filohan’ny Repoblika Andry RAJOELINA, dia natomboka avy hatrany ny fampisitrahana izany ho an’ny marary mila fandraisana an-tanana maika dia maika ao amin’ny Sampan-draharahan’ny Vonjy Aina, eny amin’ny hopitalim-panjakana.
👍Manomboka izao dia raisin’ny Fitondram-panjakana an-tanana ny fitsaboana maika voalohany na “premiers soins d’urgence” ho an’ny marary hitan’ny mpitsabo fa mila izany eny amin’ny Sampan-draharahan’ny Vonjy Aina, eny amin’ny hopitalim-panjakana, ka isan’izany ny CHU rehetra, ny CHRR miisa 16 ary CHRD 99 eto Madagasikara.
👍Izany no natao, dia ho fanehoana amin’ny alalan’ny asa mivaingana tontosain’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka, ny fanatanterahana ny Velirano fahadimy nataon’ny Filohan’ny Repoblika tamin’ny Vahoaka Malagasy : “Fahasalamana ho an’ny rehetra, tsy anavahana sokajin-taona”.
👍Araka izany, ny “kits d’urgences”, ahitana ireo fanafody sy singa rehetra ilaina amin’ny fandraisana an-tanana ny marary mila vonjy aina maika, dia omena maimaimpoana.
👍Manamaivana ny fahasahiranan’ny marary sy ny havan’ny marary izao tolotra izao.
Sombiny amin’ny zava-misy eny amin’ny hopitaly nanomboka omaly.