𝗖𝗛𝗨𝗝𝗥𝗔 𝗔𝗺𝗽𝗲𝗳𝗶𝗹𝗼𝗵𝗮 I
Nankalaza ny “Andro manerantany iadiana amin’ny fanaintainana”, andiany faha-13 isika eto Madagasikara omaly Alatsinainy 18 oktôbra 2021 . Nomarihina tamin’ny tolotra maimaimpoana eo amin’ny lafiny fizahana sy fitsaboana ary fizarana fanafody izany fankalazana izany, notanterahina tetsy amin’ny « Hall CHUJRA ».
Tamin’izany no nahazoan’ny daholobe nisitraka tolotra mikasika ny :
– fizaham-pahasalamana ankapobeny ;
– fitsaboana ny aretin’ny vanin-taolana; ny aretin’ny fo sy ny lalandrà;
– fitsaboana ny zaza;
– fahasalaman’ny saina,
– ady amin’ny fanaintainana sy ny homamiadana ;
– tolotra mikasika ny fandidiana.
Ireo dia nialohavan’ny fanokafana tamin’ny fomba ôfisialy tetsy amin’ny efitra malalaky ny trano fandraisam-bahiny « Carlton » Anosy, natrehan’ny Tale Jeneraly misahana ny famatsiana ara-pahasalamana (DGFS), Dr RAZAFIMAHATRATRA Rado, izay nisolo tena ny Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, Pr RANDRIAMANANTANY Zely Arivelo.
Nandritra izany no nanolorana azy ny « Référentiel douleur » novolavolain’ny « Douleurs Sans Frontière Madagascar », notohanan’ireo mpiara-miasa avy amin’ny INTERCLUD Analamanga sy ireo mpiara-miombonantoka ary mpanohana toy ny « Fondation Mérieux » sy ny AFD na « Agence Française de Développement ».
Marihina fa hetsika sy tolotra ara-pahasalamana maimaimpoana fanintelony izao notanterahana teto amintsika izao, ary fanao isaky ny alatsinainy fahatelo amin’ny volana oktôbra izany.
Nanamafy ny Pr RAKOTOARISON Nicole, filohan’ny CLUD eo anivon’ny CHUJRA sady mpandrindra ny INTERCLUD Analamanga, fa izao no tontosa, dia noho ilay atao hoe : « Prise en charge Multimodale » na fizakàna marolafy vokatry ny fanohanana avy amin’ireo « Laboratoires Pharmaceutiques » izay manome ny fanafody maimaimpoana isan-taona hanatanterahana ny tolotra fizahana sy fitsaboana maimaimpoana.
Tanjona hotratrarina aorian’izao fankalazana izao ny hametrahana ny CLUD na « Comité de LUtte contre les Douleurs » sy ny « Référent douleurs » isaky ny Faritra amin’ireo CHU rehetra manerana ny Nosy ka any amin’ny faritra atsimon’i Madagasikara no ezahana hametrahana izany, raha efa ahitana izany kosa ny any amin’ny faritra avaratra sy atsinanana ary ny eto afovoan-tany. Izany no atao dia mba hisian’ny fifandraisana sy ny fifanakalozan-kevitra hatrany eo amin’ny sehatry ny fitsaboana.
Miroso hatrany araka izany ny ezaka ataon’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka amin’ny fanatanterahana ny « Velirano fahadimy » miompana amin’ny “Fahasalamana ho an’ny rehetra tsy anavahana sokajin-taona”.
SCM/DIRCOM-MSANP







