๐—–๐—›๐—จ๐—๐—ฅ๐—” ๐—”๐—บ๐—ฝ๐—ฒ๐—ณ๐—ถ๐—น๐—ผ๐—ต๐—ฎ I
Nankalaza ny โ€œAndro manerantany iadiana aminโ€™ny fanaintainanaโ€, andiany faha-13 isika eto Madagasikara omaly Alatsinainy 18 oktรดbra 2021 . Nomarihina taminโ€™ny tolotra maimaimpoana eo aminโ€™ny lafiny fizahana sy fitsaboana ary fizarana fanafody izany fankalazana izany, notanterahina tetsy aminโ€™ny ยซ Hall CHUJRA ยป.
Taminโ€™izany no nahazoanโ€™ny daholobe nisitraka tolotra mikasika ny :
– fizaham-pahasalamana ankapobeny ;
– fitsaboana ny aretinโ€™ny vanin-taolana; ny aretinโ€™ny fo sy ny lalandrร ;
– fitsaboana ny zaza;
– fahasalamanโ€™ny saina,
– ady aminโ€™ny fanaintainana sy ny homamiadana ;
– tolotra mikasika ny fandidiana.
Ireo dia nialohavanโ€™ny fanokafana taminโ€™ny fomba รดfisialy tetsy aminโ€™ny efitra malalaky ny trano fandraisam-bahiny ยซ Carlton ยป Anosy, natrehanโ€™ny Tale Jeneraly misahana ny famatsiana ara-pahasalamana (DGFS), Dr RAZAFIMAHATRATRA Rado, izay nisolo tena ny Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, Pr RANDRIAMANANTANY Zely Arivelo.
Nandritra izany no nanolorana azy ny ยซ Rรฉfรฉrentiel douleur ยป novolavolainโ€™ny ยซ Douleurs Sans Frontiรจre Madagascar ยป, notohananโ€™ireo mpiara-miasa avy aminโ€™ny INTERCLUD Analamanga sy ireo mpiara-miombonantoka ary mpanohana toy ny ยซ Fondation Mรฉrieux ยป sy ny AFD na ยซ Agence Franรงaise de Dรฉveloppement ยป.
Marihina fa hetsika sy tolotra ara-pahasalamana maimaimpoana fanintelony izao notanterahana teto amintsika izao, ary fanao isaky ny alatsinainy fahatelo aminโ€™ny volana oktรดbra izany.
Nanamafy ny Pr RAKOTOARISON Nicole, filohanโ€™ny CLUD eo anivonโ€™ny CHUJRA sady mpandrindra ny INTERCLUD Analamanga, fa izao no tontosa, dia noho ilay atao hoe : ยซ Prise en charge Multimodale ยป na fizakร na marolafy vokatry ny fanohanana avy aminโ€™ireo ยซ Laboratoires Pharmaceutiques ยป izay manome ny fanafody maimaimpoana isan-taona hanatanterahana ny tolotra fizahana sy fitsaboana maimaimpoana.
Tanjona hotratrarina aorianโ€™izao fankalazana izao ny hametrahana ny CLUD na ยซ Comitรฉ de LUtte contre les Douleurs ยป sy ny ยซ Rรฉfรฉrent douleurs ยป isaky ny Faritra aminโ€™ireo CHU rehetra manerana ny Nosy ka any aminโ€™ny faritra atsimonโ€™i Madagasikara no ezahana hametrahana izany, raha efa ahitana izany kosa ny any aminโ€™ny faritra avaratra sy atsinanana ary ny eto afovoan-tany. Izany no atao dia mba hisianโ€™ny fifandraisana sy ny fifanakalozan-kevitra hatrany eo aminโ€™ny sehatry ny fitsaboana.
Miroso hatrany araka izany ny ezaka ataonโ€™ny Ministeranโ€™ny Fahasalamam-bahoaka aminโ€™ny fanatanterahana ny ยซ Velirano fahadimy ยป miompana aminโ€™ny โ€œFahasalamana ho anโ€™ny rehetra tsy anavahana sokajin-taonaโ€.
SCM/DIRCOM-MSANP