Handao anโ€™i Madagasikara tsy ho ela, ny Profesora Charlotte FATY NDIAYE, Solotena maharitry ny ยซ OMS ยป rehefa avy namita iraka nandritra ny enin-taona teto amintsika.
Ho fankasitrahana ireo zava-bitany teo aminโ€™ny sehatry ny fahasalamam-bahoaka teto Madagasikara dia notoloranโ€™ ny Fitondram-panjakana Malagasy mari-boninahitra ยซ Chevalier de lโ€™Ordre National Malagasy ยป izy, androany maraina teny aminโ€™ny Ministeranโ€™ny Raharaham-bahiny Anosy nandritra ny lanonana ofisialy fanaovam-beloma azy.
Naneho ny fahafaham-pony taminโ€™ireo asa niaraha-nanao nandritra izay fotoana niasany teto izay ny tenany ary nasongadiny taminโ€™izany ny ady sarotra natrehina taminโ€™ny fotoana nampivaivay ny valanaretina pesta, kitrotro fa indrindra ny COVID-19.
Anisany ihany koa ny fampidirana ireo karazam-baksiny ; ny fijerana manokana ny fahasalamanโ€™ny Reny sy ny Zaza ; ny fandrindrana ny fiainam-pianakaviana ; ny ady aminโ€™ny tsifanjariantsakafo any Atsimo, izay tena tsapany fa nataonโ€™ny Fitondram-panjakana vaindohan-draharaha manokana.
Tonga nanome voninahitra ny lanonana ofisialy fanaovam-beloma azy, ny Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, Prof. RANDRIAMANANTANY Zely Arivelo ; ny Minisitry ny Raharaham-bahiny, Patrick RAJOELINA, ireo Masoivoho vahiny ary ireo Tomponandraikitra isan-tsokajiny eo anivonโ€™ny Fianakaviamben’ ny Firenena mikambana miasa sy monina eto Madagasikara.
SCM/DIRCOM-MSANP