
Manome fahazotoana ny mpiasan’ny Fahasalamana, sy filaminan-tsaina ho an’ny marary ny fisian’ny Toeram-pitsaboana madio sy milamina. Ankoatra izay, dia fomba entina hikolokoloana ny foto-drafitr’asa iombonana sy hanatsarana ny tolotra ara-pahasalamana omena ny vahoaka ihany koa ny fomba fiasa « 5S ».

Tontosa ny 19-20 oktobra 2021 ny « supervision formative 5S » tany amin’ny SDSP Anjozorobe izay notanterahin’ny ekipa avy ao amin’ny DGFS.

Nandritra izany dia nisy ny fihaonana tamin’ny CHRD Anjozorobe, CHRD Analaroa sy ireo CSB miisa 30 ao anatin’ny distrikan’Anjozorobe, nijerena ireo dingana vita, ny olana sy ny vahaolana amin’ny fampiharana ny fomba fiasa 5S, ary narahina fiofanana avy hatrany sy fitsidihana ny CHRD Anjozorobe sy ny CSB2 Anjozorobe, nijerena ireo fomba fanao ahitam-pahombiazana amin’ny fampiharana ny fomba fiasa « 5S ». Fanampin’izay, nisy ny fifampizarana traikefa teo amin’ ireo samy mpiofana hirosoana ho amin’ny dingana tsaratsara kokoa hatrany. Marihana fa ny volana septambra lasa teo no nanatanterahana ny « supervision formative 5s » ho an’ny SDSP Ankazobe sy ny SDSP Manjakandriana.