๐Ÿ‘Manome fahazotoana ny mpiasanโ€™ny Fahasalamana, sy filaminan-tsaina ho anโ€™ny marary ny fisianโ€™ny Toeram-pitsaboana madio sy milamina. Ankoatra izay, dia fomba entina hikolokoloana ny foto-drafitrโ€™asa iombonana sy hanatsarana ny tolotra ara-pahasalamana omena ny vahoaka ihany koa ny fomba fiasa ยซ 5S ยป.
โœ…Tontosa ny 19-20 oktobra 2021 ny ยซ supervision formative 5S ยป tany aminโ€™ny SDSP Anjozorobe izay notanterahinโ€™ny ekipa avy ao aminโ€™ny DGFS.
โœ…Nandritra izany dia nisy ny fihaonana taminโ€™ny CHRD Anjozorobe, CHRD Analaroa sy ireo CSB miisa 30 ao anatinโ€™ny distrikanโ€™Anjozorobe, nijerena ireo dingana vita, ny olana sy ny vahaolana aminโ€™ny fampiharana ny fomba fiasa 5S, ary narahina fiofanana avy hatrany sy fitsidihana ny CHRD Anjozorobe sy ny CSB2 Anjozorobe, nijerena ireo fomba fanao ahitam-pahombiazana aminโ€™ny fampiharana ny fomba fiasa ยซ 5S ยป. Fanampinโ€™izay, nisy ny fifampizarana traikefa teo aminโ€™ ireo samy mpiofana hirosoana ho aminโ€™ny dingana tsaratsara kokoa hatrany. Marihana fa ny volana septambra lasa teo no nanatanterahana ny ยซ supervision formative 5s ยป ho anโ€™ny SDSP Ankazobe sy ny SDSP Manjakandriana.
Fampitam-baovao : DGFS