๐— ๐—ฒ๐—ป๐—ฎ๐—ฏ๐—ฒ, ๐Ÿฎ๐Ÿฌ ๐—ผ๐—ธ๐˜๐—ผ๐—ฏ๐—ฟ๐—ฎ ๐Ÿฎ๐Ÿฌ๐Ÿฎ๐Ÿญ I
Anisan’ ireo paikady entin’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka sy ny Mpiara-miombon’antoka aminy, amin’ny fanatanterahana ny VELIRANO FAHADIMY, ยซย Fahasalamana ho an’ny daholobe tsy anavahana sokajin-taonaย ยป ny ady amin’ny fifohana sigara sy fihinanana paraky.
Vokatry ny fiarahamiasa akaiky tamin’ny OMS Madagascar dia tafapetraka ao amin’ny Faritra Menabe ny Komity miady amin’ny fifohana sigara sy ny fihinanana paraky (CCoLAT) araka ny fampitam-baovao voaray avy amin’ny Talen’ny OFNALAT.
Maro ireo aretina azo mivantana na ankolaka amin’ny fifohana sigara sy fihinanana paraky, tsy mikely soroka ny Fitondram-panjakana ankehitriny amin’ny alalan’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka sy ny Mpiara-miombon’antoka aminy, mikaro-bahaolana hiarovana ny vahoaka malagasy manoloana izany.