Androany tamin’ny 5 ora maraina dia noraisina an-tanana tamin’ny alalan’ny ยซย Fonds d’urgenceย ยป tao amin’ny CHRR Antsohihy ireo olona 9 naratra vokatry ny lozam-pifamoivoizana niseho teny
amin’ny RN6.
๐ŸฅNisy ihany koa ny fitarafana natao azy ireo ka ny 3 no nahitana ยซย Contusion thoraciqueย ยป, 3 no nahitana fahatapahana ny tanana, ny 2 nilatsaka ny soroka, ny 1 feno kiaka sy ratra madinika ny vatany.
Marihina fa tsy nisy ny aina nafoy tamin’ity loza ity.
โš ๏ธTaksiborosy KOPFMM niala avy tany Antsiranana omaly sabotsy tolakandro ity tra-doza ity teo amin’ny 36 km tsy hidirana anโ€™Antsohihy ity.
โญ•Ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka dia mirary fahasitranana haingana ho an’ireo naratra ary mankasitraka ireo mpiasan’ny fahasalamana tsy mandry andro, tsy mandry alina amin’ny fitsaboana azy ireny.
Sary sy fampitam-baovao: DRSP Sofia