โœ…Antoka ahafahana mamerina indray aminโ€™ny laoniny ny hari-karena ny fisokafana aminโ€™ny firenen-kafa, antoka ifaharanโ€™ny fampandrosoana ihany koa anefa ny fahasalamana. Izany no antony nahatonga ny Fitondram-panjakana hanokatra ny sisin-taninโ€™i Madagasikara ka nametraka sy manamafy ireo fepetra fiarovana rehetra mba hahafahanโ€™ny vahoaka Malagasy miatrika ny asa andavanandrony ao anaty fahasalamana feno.
โœ…Ho fiatrehana izay fisokafanโ€™ny sisitany izay dia nohamafisina ny fiarovana, hisorohana ny fiparitahanโ€™ny Covid-19 sy ireo karazana ยซ variants ยป eny aminโ€™ireo seranam-piaramanidina be olona mifamezivezy eto Madagasikara dia ny eny Ivato, ny any Nosy Be ary ny any Toamasina.
โœ…Fitaovana informatika sy kojakoja ilaina aminโ€™ny fanarahamaso ny mpandeha no natolotry ny Governemanta Japoney taminโ€™ny alalanโ€™ny OIM na ny ยซ Organisation Internationale pour les Migrations ยป, androany teny aminโ€™ny seranam-piaramanidina iraisampirenena Ivato.
โœ…Fitaovana izay hampiasainโ€™ireo mpisehatra misahana ny fanarahamaso ny fahasalamana araka izany ireto fitaovana vaovao sy raitra ireto, isanโ€™izany ny ยซ Direction Gรฉnรฉrale des Douanes ยป, ny ยซ Police de lโ€™Air et des Frontiรจres ยป ary ny ยซ Direction de la Veille Sanitaire et de la Surveillance Epidรฉmiologique et Riposte ยป.
โœ…Io maraina io dia nisy ny fifanaovan-tsonia teo aminโ€™ny Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka sy ny Tale Jeneralinโ€™ny habantseranana ho mariky ny fandraisana aminโ€™ny fomba ofisialy ireo fitaovana fanarahamaso ireo.
โœ…Mitohy hatrany ny ezaka ataonโ€™ny Fitondram-panjakana ankehitriny aminโ€™ny fiarovana ny vahoaka manoloana ny valanaretina.
SCM/DIRCOM/MSANP