๐—”๐—ป๐—ฎ๐—น๐—ฎ๐—ธ๐—ฒ๐—น๐˜†, ๐Ÿฌ๐Ÿญ ๐—ฑ๐—ฒ๐˜€๐—ฎ๐—บ๐—ฏ๐—ฟ๐—ฎ ๐Ÿฎ๐Ÿฌ๐Ÿฎ๐Ÿญ |
Toy ireo firenena maro manerantany dia anisanโ€™ny nanamarika izany koa isika eto Madagasikara tetsy aminโ€™ny ยซ PARVIS HOTEL DE VILLE ยป Analakely androany.
โญ• Hetsika izay nokarakarainโ€™ny Ministeranโ€™ny Fahasalamam-bahoaka, ary nandraisanโ€™ireo mpiara-miombonโ€™antoka maro samihafa anjara izay nahitana fanentanana sy fampahafantarana ny ady aminโ€™ny VIH/SIDA.
โญ• Tonga nanome voninahitra ny hetsika, ny Dr RAKOTONANDRASANA Adolphe, Sekretera Jeneralinโ€™ny Ministeranโ€™ny Fahasalamam-bahoaka izay nisolotena anโ€™ Andriamatoa Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, Prof. RANDRIAMANANTANY Zely Arivelo.
โญ• Nandritra izany dia nisy ihany koa ny fitiliana maimaimpoana sy ny fandraisana an-tanana ireo izay voatily fa mitondra ny tsimokaretina, ary ny fampirantiana ireo fanafody sy fomba fiaro aminโ€™ny tsimokaretina VIH/SIDA.
โญ• Mikasika izay fitiliana izay manokana, dia tsikaritra fa tsy mitsaha-mitombo ny isanโ€™ireo olona vaovao voamarina fa mitondra ny tsimokaretina VIH/SIDA tao anatinโ€™ny telo taona farany, 1779 (2019), 2200 (2020) ary nahatratra 1043 ho anโ€™ny telo volana voalohanโ€™ny taona 2021.
โญ• Ny 21,74% ireo olona voamarina fa mitondra ny tsimokaretina VIH ireo ihany anefa no mahalala fa mitondra ny tsimokaretina ny tenany, raha ny valinโ€™ny fanadihadiana natao ny taona 2020. Izay efa mihatsara ihany raha oharina ny taminโ€™ny taona 2016 (7,2 %). Marihana moa fa manodidina ny 500.000 isan-taona ny isanโ€™ireo olona nanaovana fitiliana eto amintsika.
โญ• Ny ady aminโ€™ny aretina mifindra dia paikโ€™ady iray enti-manatanteraka ny Velirano Fahadiminโ€™ny Filohanโ€™ny Repoblika Andry RAJOELINA, ยซ Fahasalamana ho anโ€™ny rehetra tsy anavahana sokajin-taona ยป, isanโ€™izany ny ady aminโ€™ny aretina SIDA izay mety hahazo ny sokajin-taona rehetra.
โญ• Maro ireo ezaka efa natomboka, maro ihany koa anefa ireo mbola tokony ho atao.
ยซ ๐—”๐—ป๐—ฑ๐—ฎ๐—ผ ๐—ต๐—ผ๐—ณ๐—ผ๐—ฎ๐—ป๐—ฎ๐—ป๐—ฎ ๐—ป๐˜† ๐˜๐˜€๐˜† ๐—ณ๐—ถ๐˜๐—ผ๐˜ƒ๐—ถ๐—ฎ๐—ป๐—ฎ, ๐—ฎ๐—ป๐—ฑ๐—ฎ๐—ผ ๐—ต๐—ผ๐—ณ๐—ผ๐—ฎ๐—ป๐—ฎ๐—ป๐—ฎ ๐—ป๐˜† ๐—ฆ๐—œ๐——๐—”, ๐—ฎ๐—ป๐—ฑ๐—ฎ๐—ผ ๐—ต๐—ผ๐—ณ๐—ผ๐—ฎ๐—ป๐—ฎ๐—ป๐—ฎ ๐—ป๐˜† ๐˜ƒ๐—ฎ๐—น๐—ฎ๐—ป๐—ฎ๐—ฟ๐—ฒ๐˜๐—ถ๐—ป๐—ฎ ยป no lohahevitra nosafidiana ho anโ€™ity taona 2021 ity, koa ยซ alao hery ยป ary Tompokolahy sy Tompokovavy.
๐Ÿ“ธ SCM/DIRCOM-MSANP