๐—”๐—ป๐—ฎ๐—น๐—ฎ๐—ธ๐—ฒ๐—น๐˜†, ๐Ÿฌ๐Ÿญ ๐—ฑ๐—ฒ๐˜€๐—ฎ๐—บ๐—ฏ๐—ฟ๐—ฎ ๐Ÿฎ๐Ÿฌ๐Ÿฎ๐Ÿญ |
Toy ireo firenena maro manerantany dia anisan’ny nanamarika izany koa isika eto Madagasikara tetsy amin’ny ยซย PARVIS HOTEL DE VILLEย ยป Analakely androany.
โญ• Hetsika izay nokarakarainโ€™ny Ministeranโ€™ny Fahasalamam-bahoaka, ary nandraisanโ€™ireo mpiara-miombon’antoka maro samihafa anjara izay nahitana fanentanana sy fampahafantarana ny ady aminโ€™ny VIH/SIDA.
โญ• Tonga nanome voninahitra ny hetsika, ny Dr RAKOTONANDRASANA Adolphe, Sekretera Jeneralin’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka izay nisolotena an’ Andriamatoa Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, Prof. RANDRIAMANANTANY Zely Arivelo.
โญ• Nandritra izany dia nisy ihany koa ny fitiliana maimaimpoana sy ny fandraisana an-tanana ireo izay voatily fa mitondra ny tsimokaretina, ary ny fampirantiana ireo fanafody sy fomba fiaro aminโ€™ny tsimokaretina VIH/SIDA.
โญ• Mikasika izay fitiliana izay manokana, dia tsikaritra fa tsy mitsaha-mitombo ny isan’ireo olona vaovao voamarina fa mitondra ny tsimokaretina VIH/SIDA tao anatin’ny telo taona farany, 1779 (2019), 2200 (2020) ary nahatratra 1043 ho an’ny telo volana voalohan’ny taona 2021.
โญ• Ny 21,74% ireo olona voamarina fa mitondra ny tsimokaretina VIH ireo ihany anefa no mahalala fa mitondra ny tsimokaretina ny tenany, raha ny valin’ny fanadihadiana natao ny taona 2020. Izay efa mihatsara ihany raha oharina ny tamin’ny taona 2016 (7,2 %). Marihana moa fa manodidina ny 500.000 isan-taona ny isan’ireo olona nanaovana fitiliana eto amintsika.
โญ• Ny ady amin’ny aretina mifindra dia paik’ady iray enti-manatanteraka ny Velirano Fahadimin’ny Filohan’ny Repoblika Andry RAJOELINA, ยซย Fahasalamana ho an’ny rehetra tsy anavahana sokajin-taonaย ยป, isan’izany ny ady amin’ny aretina SIDA izay mety hahazo ny sokajin-taona rehetra.
โญ• Maro ireo ezaka efa natomboka, maro ihany koa anefa ireo mbola tokony ho atao.
ยซย ๐—”๐—ป๐—ฑ๐—ฎ๐—ผ ๐—ต๐—ผ๐—ณ๐—ผ๐—ฎ๐—ป๐—ฎ๐—ป๐—ฎ ๐—ป๐˜† ๐˜๐˜€๐˜† ๐—ณ๐—ถ๐˜๐—ผ๐˜ƒ๐—ถ๐—ฎ๐—ป๐—ฎ, ๐—ฎ๐—ป๐—ฑ๐—ฎ๐—ผ ๐—ต๐—ผ๐—ณ๐—ผ๐—ฎ๐—ป๐—ฎ๐—ป๐—ฎ ๐—ป๐˜† ๐—ฆ๐—œ๐——๐—”, ๐—ฎ๐—ป๐—ฑ๐—ฎ๐—ผ ๐—ต๐—ผ๐—ณ๐—ผ๐—ฎ๐—ป๐—ฎ๐—ป๐—ฎ ๐—ป๐˜† ๐˜ƒ๐—ฎ๐—น๐—ฎ๐—ป๐—ฎ๐—ฟ๐—ฒ๐˜๐—ถ๐—ป๐—ฎย ยป no lohahevitra nosafidiana ho an’ity taona 2021 ity, koa ยซย alao heryย ยป ary Tompokolahy sy Tompokovavy.
๐Ÿ“ธ SCM/DIRCOM-MSANP