
14 km miala ny Kaomina Ambanivohitra Sabotsy Anjiro ao aminβny distrikanβ i Moramanga no misy ny Fokontany Ambohimandroso, toerana nananganana ny CSB II Manarapenitra Ambohimandroso.
Mizotra tsara ny fanorenana, tombanana ho 80% ny fahavitanβny asa.

Nidina ifotony nanaramaso ny asa tany an-toerana ny Delegasiona avy aminβny Ministeranβny Fahasalamam-bahoaka izay notarihanβ ny Dr RAKOTONANDRASANA Adolphe, Sekretera Jeneraly. Nanotrona azy nandritra izany ireo Olomboafidy sy Manampahefana isan-tsokajiny ao amin’ny Faritra Alaotra Mangoro izay notarihan’ Andriamatoa Filohan’ny Vaomieran’ny Fahasalamana eo anivon’ny Antenimieram-pirenena.

Tsapa ary azo tsapain-tanana araka izao ny fiarahamiasa mahomby eo amin’ny fahefana mpanaramaso sy ny fahefana mpanatanteraka. Tombotsoa ho an’ny vahoaka tokoa no katsahina ka samy hentitra ny roa tonta mikasika ny kalitaon’ny asa fananganana.

Maherinβny 10.000 eo ireo vahoaka hisitraka tombotsoa mivantana aorianβny fahavitanβity Foto-drafitrβasa ara-pahasalamana manarapenitra ity.

Mitohy hatrany ny ezaka amin’ny fanatanterahana ny Velirano Fahadiminβny Filohanβny Repoblika Andry RAJOELINA, βFahasalamana ho anβny rehetra tsy anavahana sokajin-taonaβ izay iandraiketanβny Ministeranβny Fahasalamam-bahoaka.