๐ŸŽฏ 14 km miala ny Kaomina Ambanivohitra Sabotsy Anjiro ao aminโ€™ny distrikanโ€™ i Moramanga no misy ny Fokontany Ambohimandroso, toerana nananganana ny CSB II Manarapenitra Ambohimandroso.
Mizotra tsara ny fanorenana, tombanana ho 80% ny fahavitanโ€™ny asa.
โญ• Nidina ifotony nanaramaso ny asa tany an-toerana ny Delegasiona avy aminโ€™ny Ministeranโ€™ny Fahasalamam-bahoaka izay notarihanโ€™ ny Dr RAKOTONANDRASANA Adolphe, Sekretera Jeneraly. Nanotrona azy nandritra izany ireo Olomboafidy sy Manampahefana isan-tsokajiny ao amin’ny Faritra Alaotra Mangoro izay notarihan’ Andriamatoa Filohan’ny Vaomieran’ny Fahasalamana eo anivon’ny Antenimieram-pirenena.
โœ”๏ธ Tsapa ary azo tsapain-tanana araka izao ny fiarahamiasa mahomby eo amin’ny fahefana mpanaramaso sy ny fahefana mpanatanteraka. Tombotsoa ho an’ny vahoaka tokoa no katsahina ka samy hentitra ny roa tonta mikasika ny kalitaon’ny asa fananganana.
โœ”๏ธ Maherinโ€™ny 10.000 eo ireo vahoaka hisitraka tombotsoa mivantana aorianโ€™ny fahavitanโ€™ity Foto-drafitrโ€™asa ara-pahasalamana manarapenitra ity.
โญ• Mitohy hatrany ny ezaka amin’ny fanatanterahana ny Velirano Fahadiminโ€™ny Filohanโ€™ny Repoblika Andry RAJOELINA, โ€œFahasalamana ho anโ€™ny rehetra tsy anavahana sokajin-taonaโ€ izay iandraiketanโ€™ny Ministeranโ€™ny Fahasalamam-bahoaka.
SCM/DIRCOM-MSANP