CCI Ivato, 02-03 desambra 2021
โญ• Niisa 29 ireo fanontaniana ho an’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka.
Nitondra ny valiny mikasika izany Andriamatoa Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, Prof. RANDRIAMANANTANY Zely Arivelo izay nosokajiana toy izao.
๐Ÿฅ MIKASIKA NY FOTO-DRAFITR’ASA EFA TONTA
Misy ny tetibola manokana (budget) ho an’ny fanatsarana (rehabilitation) sy fampitaovana ireo foto-drafitrโ€™asa ireo.
๐Ÿฅ MIKASIKA NY FOTO-DRAFITR’ASA VAOVAO
Hopitaly manarapenitra 14 sy CSB II Manarapenitra aman-jatony no efa an-dala-pamaranana ny fanorenana azy amin’izao fotoana izao.
๐Ÿง‘โ€โš•๏ธ FANDRAISANA HO MPIASANโ€™NY FAHASALAMANA
Araka ny fampanantenana izay nataon’Andriamatoa Filohan’ny Repoblika ANDRY RAJOELINA dia eo andalam-panatanterahana ny fandraisana ho mpiasam-panjakana ireo ยซย bรฉnรฉvoleย ยป ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka ankehitriny. Tsy misy atao latsaka ny distrika 114 izay nandray anjara tamin’izany.
Efa nisy ihany koa ny fandraisana Dokotera mpitsabo ankapobeny tamin’ny alalan’ny Tetikasa FAFY, ny fandraisana Farmasiana, Dokotera mpitsabo nify ary Teknisianina misahana ny Laboratoara.
๐ŸฅFANAMAFISANA NY RAFI-PAHASALAMANA
Miroso amin’ny fanjakana tsara tantana ny Ministeranโ€™ny Fahasalamam-bahoaka ary manentana ny fiadidiam-paritra ny Fahasalamana isan’ ambaratongany hameno araka ny tokony ho izy ny Boky mirakitra ny fananam-panjakana izay antoka iray ahafahana mandefa ireo Fitaovana araka ny filร na (Kidoro, farafara…)
Fanampin’izay, ยซย Tensiomรจtreย ยป sy ยซย stรฉthoscopeย ยป aman’arivony maro no notsinjaraina eny anivon’ireo Tobimpahasalamana ho ampiasain’ny Mpiasan’ny fahasalamana, hanatsarana ny tolotra sy hamahana ireo olana teo aloha mikasika izany.
Mikasika ny resaka ยซย Scannerย ยป dia hidina ifotony hijery ny olana sy ny vahaolana mifandraika amin’izany ireo Tompon’ andraikitra eto amin’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka amin’ity volana desambra 2021 ity.
โญ• FANOVAM-BAKSINY IADINA AMINโ€™NY COVID-19
– Tsy mikely soroka ny mpiasan’ny fahasalamana manatanteraka ireo paik’ady entina hanaovam-baksiny ny vahoaka Malagasy. Anisan’izany ny fanatonana isan-tokantrano sy ny fitetezana orinasa samihafa.
– Mihoatra ny 1 700 000 ny vaksiny izay misy eto Madagasikara amin’izao fotoana izao. Hatraminโ€™ny faha 2 desambra 2021 teo dia 521.526 ny isanโ€™ny olona nahavita tanteraka vaksiny iadiana aminโ€™ny covid-19 ary atao izay hanatrarana ho 1.000.000 olona vita vaksiny hatramin’ny faran’ny taona. Mety ho tratra tsara izany satria herinandro lasa izay dia 400.000 sisa, ary nahavita 120.000 mahery ny Mpiasanโ€™ny Fahasalamana tao anatinโ€™ny herinandro, ary isaorana azy ireo izany ezaka lehibe ataony izany.
โš ๏ธ FITSABOANA NENTIM-PAHARAZANA
Voarara ny fanaovana dokambarotra, tsy ho an’ny fitsaboana nentim-paharazana ihany fa ho an’ny asa fitsaboana mihitsy. Misy ny ยซ arrรชtรฉ interministรฉriel ยป izay mandrara izany ary fanampinโ€™izay dia efa mamaraparana ny ยซ dรฉcret interministรฉriel ยป ny Fitondram-panjakana ankehitriny izay natao hanakanana ireo endrika fisolokiana aminโ€™ny sehatry ny asa fitsaboana.
โญ• ADY AMINโ€™NY ARETINA MIFINDRA
– VIH/SIDA : Nohatsaraina ny paik’ady iadiana aminโ€™ny aretina ary namafisina ny fanentanana sy ny fitiliana maimaimpoana mba ahafahana mahita ireo rehetra mitondra ny tsimokaretina ary omenโ€™ny Fanjakana maimaimpona ny fanafody.
– HAROMOTANA: 31 no isan’ireo ivontoerana ahafahana misitraka ny vaksiny miaro amin’ny haromotana eto Madagasikara ary efa mijery ny fomba hampiakarana ny isanโ€™ireo ivo-toerana ireo ny Ministeranโ€™ny Fahasalamam-bahoaka ankehitriny.
โœ”๏ธโœ”๏ธ Misokatra mandrakariva aminโ€™ny fiaraha-miasa ny Ministeranโ€™ny Fahasalamam-bahoaka, ary mandray ireo rehetra izay maniry ny hihaona aminy Andriamatoa Minisitra, ยซ Mitady vahaolana isika, arak’ izay haingana indrindra, ahafahantsika manatratra ny tanjona araka ny VELIRANO FAHADIMIN’ Andriamatoa Filohan’ny Repoblika Andry RAJOELINA dia ny hoe ยซ fahasalamana ho anโ€™ny rehetra tsy anavahana sokajin-taona ยป.
๐Ÿ“ธ: SCM/DIRCOM-MSANP