๐—”๐—ป๐—ธ๐—ฎ๐˜๐˜€๐—ผ, ๐Ÿฌ๐Ÿต ๐—ฑ๐—ฒ๐˜€๐—ฎ๐—บ๐—ฏ๐—ฟ๐—ฎ ๐Ÿฎ๐Ÿฌ๐Ÿฎ๐Ÿญ I
Ankoatra ny fampitaovana dia isanโ€™ny antoka iray lehibe ahafahana mandresy ny valanaretina ihany koa ny fanamafisana ny traikefanโ€™ireo mpisehatra ara-pahasalamana.
โญ• Natomboka androany ary hifarana ny 16 desambra 2021 izao ny ยซ Cours national sur les Techniques de Biologie Molรฉculaire ยป andiany faharoa izay fiaraha-miasanโ€™ny ยซ Centre dโ€™Infectiologie Charles Merieux (CICM) ยป , ny Oniversite Antananarivo.ary ny ny Ministeranโ€™ny Fahasalamam-bahoaka. izao fampiofanana izao no tanteraka dia noho ny fiaraha-miasa amin’ireo mpikaroka ary noho ny famatsiam-bola azo avy amin’ny ยซ Principautรฉ de Monaco ยป
โญ• Mpiofana 24 mianadahy avy aminโ€™ny lafi-valonโ€™ny Nosy no manaraka izao fiofanana izao, izay ahitana teknisianina aminโ€™ireo laboratoaram-panjakana, ยซ biologiste ยป, mpandranto fianarana ho ยซ Masters ยป sy ยซ Doctorat ยป ary mpikaroka.
๐ŸŽฏ Hanamafy ny traikefa sy ny fari-pahalalana eo aminโ€™ny lafiny fitiliana ankapobeny, ary indrindra mikasika ny valanaretina covid-19 no tanjona sy fanamby apetrakโ€™izao fampiofanana izao. Tonga nanome voninahitra sy nanokatra ara-pomba ofisialy ny fampiofanana Andriamatoa Ministry ny Fahasalamam-bahoaka, Prof. RANDRIAMANANTANY Zely Arivelo.
โญ• Nanome hery ireo mpiofana sy nankasitraka ireo mpampiofana izy satria zava-dehibe ary hampiakatra ny kalitaonโ€™ny fitiliana ny fisianโ€™ny fampiofanana toy izao.
๐ŸŽฏ Mitohy araka izany ny ezaka ataonโ€™ny Fitondram-panjakana ankehitriny aminโ€™ny alalanโ€™ny Ministeranโ€™ny Fahasalamam-bahoaka sy ireo Mpiara-miombonโ€™antoka, aminโ€™ny fiarovana ny vahoaka manoloana ny valanaretina.
๐Ÿ“ธ SCM/DIRCOM-MSANP