๐—ข๐—ป๐—ถ๐˜ƒ๐—ฒ๐—ฟ๐˜€๐—ถ๐˜๐—ฒ ๐—”๐—ป๐—ธ๐—ฎ๐˜๐˜€๐—ผ ,๐Ÿญ๐Ÿฌ ๐—ฑ๐—ฒ๐˜€๐—ฎ๐—บ๐—ฏ๐—ฟ๐—ฎ ๐Ÿฎ๐Ÿฌ๐Ÿฎ๐ŸญI
Mihazakazaka manaraka ny fivoaranโ€™ny fandrosoana ny tontolonโ€™ny fitsaboana sy ny fikarohana ara-tsiansa sy eto amintsika. Mpikaroka Malagasy maro no mifanome tanana manatanteraka izany, izay ahitana ny avy aminโ€™ny Ministeranโ€™ny Fahasalamam-bahoaka, ny Ministeranโ€™ny fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa, ny Oniversite Antananarivo ary ireo Mpiara-miombonโ€™antoka maro avy eto an-toerana sy avy any ivelany.
๐ŸŽ‰ Notokanana androany 10 desambra 2021 ny Ivontoerana voalohany fanaovana fikarohana mahakasika ny vaksiny eto Madagasikara izay vokatry ny fiaraha-miasa eo aminโ€™ny Oniversite Antananarivo sy ny ยซ International Vaccine Institute ยป.
โญ• Ivontoerana izay hikaroka ireo karazam-baksiny hoenti-miatrika ireo aretina mateti-pitranga eto amintsika, toy ny ยซ Fiรจvre typhoรฏde, Bilharzioseโ€ฆยป, ary koa ny Covid-19.
โญ• Tonga nanome voninahitra izao lanonam-pitokanana izao ny Delegasiona avy aminโ€™ny Ministeranโ€™ny Fahasalamam-bahoaka izay notarihanโ€™ny Dr Adolphe RAKOTONANDRASANA, Sekretera Jeneraly izay nisolotena anโ€™ Andriamatoa Minisitra, Prof. Zely Arivelo RANDRIAMANANTANY. Nanambaranโ€™ Andriamatoa Sekretera Jeneraly nandritra ny fandraisam-pitenenany fa ยซ mamaly ny velirano faha-5 napetraky ny Filoham-pirenena Andry RAJOELINA ny fisianโ€™ny Ivontoeram-pikarohana toy izao, izay entina hamokarana vaksiny hiaro ny vahoaka Malagasy ยป.
โญ• Marihana moa fa ny fanaovam-baksiny dia isanโ€™ireo paikโ€™ady iray mahomby hoenti-miatrika sy mandresy ny valanaretina.
๐Ÿ“ธ SCM/DIRCOM-MSANP