πŸ’ͺ🏈 π—”π—Ÿπ—˜π—™π—” πŸ―π—™π—• 🏈πŸ’ͺ
🌟 Ho fampiroboroboana ny Fanatanjahan-tena eto anivon’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka dia notoloran’ny Ministera foibe, Β« SurvΓͺtement Β» sy Β« Γ©charpe Β» ny Ekipan’ny 3FB Rugby vehivavy izay hiatrika ny Lalao Famaranana amin’ny fiadiana ny Tompondakan’i Madagasikara FINALE TOP 5 DAME anio tolakandro etsy amin’ny Kianja Makis Andohatapenaka.
β­• Tonga nanolotra izany teny amin’ny Kianjan’ny CHUJRA Ampefiloha io maraina io ireo Ray aman-dreny avy eto anivon’ ny Ministera foibe izay notarihan-dRamatoa Talen’ny Kabinetra izay nisolo-tena an’ Andriamatoa Minisitra.
β­• Ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka dia misokatra mandrakariva amin’ny fiaraha-miasa rehetra, na eo amin’ny lafiny fahasalamana io na ny sehatry ny fanatanjahan-tena toy izao. Koa entanina isika mpiara-miombon’antoka ho tonga hifanome tanana amin’izany.
SCM/DIRCOM-MSANP