๐Ÿ’ช๐Ÿˆ ๐—”๐—Ÿ๐—˜๐—™๐—” ๐Ÿฏ๐—™๐—• ๐Ÿˆ๐Ÿ’ช
๐ŸŒŸ Ho fampiroboroboana ny Fanatanjahan-tena eto anivonโ€™ny Ministeranโ€™ny Fahasalamam-bahoaka dia notoloranโ€™ny Ministera foibe, ยซ Survรชtement ยป sy ยซ รฉcharpe ยป ny Ekipanโ€™ny 3FB Rugby vehivavy izay hiatrika ny Lalao Famaranana aminโ€™ny fiadiana ny Tompondakanโ€™i Madagasikara FINALE TOP 5 DAME anio tolakandro etsy aminโ€™ny Kianja Makis Andohatapenaka.
โญ• Tonga nanolotra izany teny aminโ€™ny Kianjanโ€™ny CHUJRA Ampefiloha io maraina io ireo Ray aman-dreny avy eto anivonโ€™ ny Ministera foibe izay notarihan-dRamatoa Talenโ€™ny Kabinetra izay nisolo-tena anโ€™ Andriamatoa Minisitra.
โญ• Ny Ministeranโ€™ny Fahasalamam-bahoaka dia misokatra mandrakariva aminโ€™ny fiaraha-miasa rehetra, na eo aminโ€™ny lafiny fahasalamana io na ny sehatry ny fanatanjahan-tena toy izao. Koa entanina isika mpiara-miombonโ€™antoka ho tonga hifanome tanana aminโ€™izany.
SCM/DIRCOM-MSANP