Ambohidahy, Alatsinainy 17 janoary 2022

๐€๐Š๐Ž๐’๐๐˜ ๐…๐€๐๐€๐๐†๐€๐๐€N-๐“๐’๐€๐ˆ๐๐€

Tahaka ny fanaony isaka ny fiandohanโ€™ny herinandro, dia misy hatrany ny toromarika apetraky ny Minisitry ny fahasalamam-bahoaka, Prof RANDRIAMANANTANY Zely Arivelo.

Mavesatra ny asa miandry amin’ity taona ity fa ny fiomanana no entina miatrika izany, ao anatinโ€™ny fandrafetana ny drafitr’asa 2022 ny rafi-pitantanana rehetra eto aminโ€™ny Ministera aminโ€™izao volana fisantarana ny taona vaovao izao.
Mihena ny mararin’ny Covid-19 eny anivon’ny CTC-19, hita taratra ny fahombiazan’ny fiaraha-mientana sy fiaraha-miasa eo anivon’ny Ministera manerana ny Nosy, tratra ny tanjona 1 000 000 ny olona vita vaksiny fanefitra covid-19, naneho fisaorana ho anโ€™ireo mpiasanโ€™ny fahasalamana izay tsy mikely soroka aminโ€™ny fanatanterahana ny adidy amin’ny firenana Andriamatoa Minisitra, mankasitraka hoy izy ny amin’ny fanentanana amin’ny fiarovana, ny fitsaboana ary firotsahana an-tsehatra amin’ity ady amin’ny valan’aretina ity.
Nanentana ny tsirairay hatrany Andriamatoa Ministra aminโ€™ny fitandrovana sy fanamafisana ireo fihetsika fiarovan-tena aminโ€™ny valanaretina Covid-19, sy ny tokony hanatonana tobim-pahasalamana haingana raha sanatria misy soritraretina, mba tsy hananosarotra ny fandraisana an-tanana.