𝗙𝗜𝗧𝗦𝗔𝗕𝗢𝗔𝗡𝗔 𝗠𝗔𝗡𝗔𝗞𝗔𝗜𝗞𝗬 𝗩𝗔𝗛𝗢𝗔𝗞𝗔
🎯 Mizotra tsara ny asa fananganana ireo CSB II Manarapenitra manerana ny distrika maro eto Madagasikara, ho fanatsarana ny kalitaon’ny tolotra ara-pahasalamana omena ny vahoaka araka ny Velirano fahadimy, teboka faharoa.
🎯Fitsaboana manakaiky vahoaka, fitsaboana mamàly ny filan’ny vahoaka ary tsy hisy distrika ho adino na dia iray aza. Isan’ny sakana tsy nahafahan’ny vahoaka nisitraka tolotra ara-pahasalamana tsara kalitao nandritra ny taona maro tokoa mantsy ny fahalaviran’ny Tobim-pahasalamana. Teo koa ny tsy fisian’ny fitaovana sy mpiasan’ny fahasalamana nampihodina azy ireny.
🎯 Manomboka mivaha izany olana izany ankehitriny noho ny ezaka ataon’ny Fitondram-panjakana amin’ny alalan’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka.
🎯 Toerana maro izay noheverina ho lavitra sy saro-dalana no nanorenana Tobim-pahasalamana fototra manarapenitra, ary efa vonona ihany koa ny fitaovana sy ny mpiasan’ny fahasalamana hiandraikitra azy ireny. Isan’izany ny:
– CSB II Manarapenitra Ambohimandroso, Kaomina Ambanivohitra Anjiro, distrikan’i Moramanga, Faritra Alaotra – Mangoro,
– CSB II Manarapenitra Soanierana, distrikan’i Maroantsetra, Faritra Analanjirofo,
– CSB II Manarapenitra Kandreho, Faritra Betsiboka,
– CSB II Manarapenitra Tsarahonenana, distrikan’i Befandriana avaratra, Faritra Sofia,
– CSB II Manarapenitra Andranotsihozo Ankazondandy, Distrikan’i Manjakandriana, Faritra Analamanga,
– CSB II Manarapenitra Antsiradava, Distrikan’i Bealanana, Faritra Sofia.
🎯Izay mahakolokolo no manana ny soa, koa entanina isika olom-pirenena tsy ankanavaka ho sarotiny amin’ny fanajàna ny fananana iombonana.
——
𝗠𝗮𝗵𝗮𝗶𝘇𝗮 𝗺𝗮𝗻𝗮𝗻𝗮 𝗮𝗿𝘆 𝗸𝗮𝗷𝗶𝗼 𝗶𝘇𝘆 𝗶𝗿𝗲𝗻𝘆 𝗵𝗮𝗵𝗮𝗿𝗶𝘁𝗿𝗮 𝗵𝗼 𝗹𝗼𝘃𝗮𝗶𝗻-𝗷𝗮𝗳𝘆.
——
#Velirano_Fahadimy
#Teboka_Faharoa
#Fanatsarana_ny_Tolotra_ara_pahasalamana
SCM/DIRCOM-MSANP
