๐—™๐—œ๐—ง๐—ฆ๐—”๐—•๐—ข๐—”๐—ก๐—” ๐— ๐—”๐—ก๐—”๐—ž๐—”๐—œ๐—ž๐—ฌ ๐—ฉ๐—”๐—›๐—ข๐—”๐—ž๐—”

๐ŸŽฏ Mizotra tsara ny asa fananganana ireo CSB II Manarapenitra manerana ny distrika maro eto Madagasikara, ho fanatsarana ny kalitaon’ny tolotra ara-pahasalamana omena ny vahoaka araka ny Velirano fahadimy, teboka faharoa.

๐ŸŽฏFitsaboana manakaiky vahoaka, fitsaboana mamร ly ny filan’ny vahoaka ary tsy hisy distrika ho adino na dia iray aza. Isan’ny sakana tsy nahafahan’ny vahoaka nisitraka tolotra ara-pahasalamana tsara kalitao nandritra ny taona maro tokoa mantsy ny fahalaviran’ny Tobim-pahasalamana. Teo koa ny tsy fisian’ny fitaovana sy mpiasan’ny fahasalamana nampihodina azy ireny.

๐ŸŽฏ Manomboka mivaha izany olana izany ankehitriny noho ny ezaka ataon’ny Fitondram-panjakana amin’ny alalan’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka.

๐ŸŽฏ Toerana maro izay noheverina ho lavitra sy saro-dalana no nanorenana Tobim-pahasalamana fototra manarapenitra, ary efa vonona ihany koa ny fitaovana sy ny mpiasan’ny fahasalamana hiandraikitra azy ireny. Isan’izany ny:

– CSB II Manarapenitra Ambohimandroso, Kaomina Ambanivohitra Anjiro, distrikan’i Moramanga, Faritra Alaotra – Mangoro,
– CSB II Manarapenitra Soanierana, distrikan’i Maroantsetra, Faritra Analanjirofo,
– CSB II Manarapenitra Kandreho, Faritra Betsiboka,
– CSB II Manarapenitra Tsarahonenana, distrikan’i Befandriana avaratra, Faritra Sofia,
– CSB II Manarapenitra Andranotsihozo Ankazondandy, Distrikan’i Manjakandriana, Faritra Analamanga,
– CSB II Manarapenitra Antsiradava, Distrikan’i Bealanana, Faritra Sofia.

๐ŸŽฏIzay mahakolokolo no manana ny soa, koa entanina isika olom-pirenena tsy ankanavaka ho sarotiny amin’ny fanajร na ny fananana iombonana.
——
๐— ๐—ฎ๐—ต๐—ฎ๐—ถ๐˜‡๐—ฎ ๐—บ๐—ฎ๐—ป๐—ฎ๐—ป๐—ฎ ๐—ฎ๐—ฟ๐˜† ๐—ธ๐—ฎ๐—ท๐—ถ๐—ผ ๐—ถ๐˜‡๐˜† ๐—ถ๐—ฟ๐—ฒ๐—ป๐˜† ๐—ต๐—ฎ๐—ต๐—ฎ๐—ฟ๐—ถ๐˜๐—ฟ๐—ฎ ๐—ต๐—ผ ๐—น๐—ผ๐˜ƒ๐—ฎ๐—ถ๐—ป-๐—ท๐—ฎ๐—ณ๐˜†.
——

#Velirano_Fahadimy
#Teboka_Faharoa
#Fanatsarana_ny_Tolotra_ara_pahasalamana

SCM/DIRCOM-MSANP