Voin-kava mahatratra, ny Fitondram-panjakana ankehitriny dia eo anilan’ny vahoaka hatrany amin’ izao voina mahazo ny mpiray tanindrazana eto an-drenivohitra izao noho ny fiakaran’ny rano vokatry ny oram-be nikija nandritra ny roa andro izay.

Manoloana izany indrindra dia nanome toromarika ireo mpikambana eo anivon’ny Governemanta ny Filoha Andry RAJOELINA, hidina hijery ifotony ny zava-misy ary hanome tร nana ireo havana traboina.

Io tolakandro io dia nidina teny amin’ny EPP Andohatapenaka, teny amin’ny Site Floreal Andraharo, ary teny amin’ny Kianja Mitafo Ankorondrano ny Delegasiona avy eto anivon’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka izay notarihan’ Andriamatoa Minisitra , Prof. RANDRIAMANANTANY Zely Arivelo nankahery ireo traboina ary nijery akaiky ny fandraisana an-tanana ny fahasalaman’izy ireo izay marihana fa maimaimpoana avokoa na ny fizahana izany na ny fanafody.

Nanentana ny Mpiasan’ny fahasalamana ihany koa ny tenany handray anjara mavitrika amin’ny fanampiana ny mpiray tanindrazana manoloana izao voina izao.

ยซย Aleo misoroka toy izay mitsaboย ยป, maro tokoa mantsy ireo aretina izay mety hiseho rehefa amin’ny fotoana toy izao ary isika rahateo mbola ao anatin’ny ady amin’ny valanaretina covid-19. Hisorohana izany indrindra dia; isaky ny toerana handraisana ireo traboina dia misy toerana manokana natsangan’ny Fitondram-panjakana amin’ny alalan’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka hanarahamaso ny fahasalaman’izy ireo.

Mankahery ireo traboina rehetra ary mirary fahasalamana lalandava ho azy ireo.

SCM/DIRCOM-MSANP