𝐅𝐀𝐍𝐀𝐌𝐁𝐀𝐑𝐀𝐍𝐀
Ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka dia manameloka tanteraka ny herisetra amin’ny endriny rehetra, atao amin’ny Mpiasan’ny fahasalamana, na aiza na aiza misy azy.
Mitsabo sy mamonjy ny ain’ny mpiara-belona ny mpiasan’ny Fahasalamana, antsoina andro dia andro, antsoina alina dia alina, ary tsy mitandro hasasarana amin’ny fanatanterahana ny asa masina nampiandraiketina azy ireo.
Noho izany, tsy azo leferina, ary toherina tanteraka ny herisetra mianjady amin’izy ireo. Isan’izany ny tranga fanafihan-jiolahy niseho tao amin’ny CSB Marondry, ao amin’ny distrikan’Ankazobe, ka naharatràna ny Rasazy tao an-toerana noho ny tsatoka antsy natao azy.
Maneho ny fiombonana aminy ny fianakaviam-ben’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka, ary mirary fahasitranana haingana ho azy.
🟢Efa eo am-pelatanan’ny mpitandro filaminana ny raharaha ary efa misy ny fanadihadiana mikasika izao trangana herisetra izao.
🟢Mankahery hatrany ny mpiasan’ny fahasalamana rehetra koa, eo amin’ny fanatanterahana ny adidy masina ho an’ny mpiray tanindrazana.
Sary: 𝘊𝘚𝘉 𝘔𝘢𝘳𝘰𝘯𝘥𝘳𝘺