𝐅𝐀𝐍𝐀𝐌𝐁𝐀𝐑𝐀𝐍𝐀

🔴Ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka dia manameloka tanteraka ny herisetra amin’ny endriny rehetra, atao amin’ny Mpiasan’ny fahasalamana, na aiza na aiza misy azy.

🔴Mitsabo sy mamonjy ny ain’ny mpiara-belona ny mpiasan’ny Fahasalamana, antsoina andro dia andro, antsoina alina dia alina, ary tsy mitandro hasasarana amin’ny fanatanterahana ny asa masina nampiandraiketina azy ireo.

⛔️Noho izany, tsy azo leferina, ary toherina tanteraka ny herisetra mianjady amin’izy ireo. Isan’izany ny tranga fanafihan-jiolahy niseho tao amin’ny CSB Marondry, ao amin’ny distrikan’Ankazobe, ka naharatràna ny Rasazy tao an-toerana noho ny tsatoka antsy natao azy.

🔴Maneho ny fiombonana aminy ny fianakaviam-ben’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka, ary mirary fahasitranana haingana ho azy.

🟢Efa eo am-pelatanan’ny mpitandro filaminana ny raharaha ary efa misy ny fanadihadiana mikasika izao trangana herisetra izao.

🟢Mankahery hatrany ny mpiasan’ny fahasalamana rehetra koa, eo amin’ny fanatanterahana ny adidy masina ho an’ny mpiray tanindrazana.

Sary: 𝘊𝘚𝘉 𝘔𝘢𝘳𝘰𝘯𝘥𝘳𝘺