Singa manana anjara toerana lehibe eo aminโ€™ny fahazoana ny fahasalamana tomombana sy ara-kalitao ny fahadiovana. Nisy araka izany io maraina io ny fampitaovana hoentina manadio ny toerana eny aminโ€™ny CTC-19 Village Voara izay vokatry ny fiaraha miasa teo aminโ€™ny Ministerananโ€™ny Fahasalamam-bahoaka sy ny ONG WATERAID mba ahafahana manome antoka ny lafiny fidiovana sy fanadiovana ho tombotsoanโ€™ireo mpiasanโ€™ny fahasalamana izay miasa eny an-toerana sy ireo marary raisana an-tanana.

Ireo fitaovana noraisina ireo dia mamaly avy hatrany ny filร na ety aminโ€™ny CTC-19 Village Voara, indrindra fa aminโ€™izao fotoana hisianโ€™ny rano miakatra izay mety mampirongatra ireo karazana valanaretina izao.
Tonga nanolotra izany taminโ€™ireo Tomponโ€™andraikitra teny an-toerana ny Sekretera Jeneralinโ€™ny Ministeranโ€™ny Fahasalamam-bahoaka, Dr YASMINE Lethicia Lydia, ary nametraka ny hafatra mba hikojakojana sy hanajana hatrany ireo fitaovana izay noraisina.

Fanadihadiana: SCM/DIRCOM/MSANP