Misokatra hatrany amin’ny fiaraha-miasa ny Fitondram-panjakana ankehitriny amin’ny fanatanterahana ny velirano fahadimy sy ny fiarovana ny vahoaka manoloana ny valanaretina COVID 19.

Nanolotra ยซย Genexpert 4 modulesย ยป miaraka amin’ny kojakoja ilaina miaraka aminy toy ny ยซย cartoucheย ยป sy ยซย kit de prรฉlรจvementsย ยป 2000 isa ary ยซย onduleurย ยป ho an’ny Fitaleavam-paritry ny Fahasalamam-bahoaka Anosy ny orinasa Rio Tinto QMM omaly 25 janoary 2022.

Ankasitrahana ny tantsoroka ho fiarovana ny Fahasalamam-bahoaka. Ny fahazoana fitaovam-pitiliana toa izao tokoa mantsy dia ahafahana mandray an-tanana mialoha ny tranga sy manapaka ny rojom-pifindran’ny valan’aretina.

#isika_rehetra_miara_mandresy_ny_covid_19
#Arovy_ny_tenanao
#Arovy_koa_ny_hafa.

Fampitam-baovao: DRSP Anosy