๐— ๐—œ๐—”๐—ฆ๐—” ๐—ก๐—ฌ ๐— ๐—ฃ๐—œ๐—”๐—ฆ๐—”๐—ก’๐—ก๐—ฌ ๐—™๐—”๐—›๐—”๐—ฆ๐—”๐—Ÿ๐—”๐— ๐—”๐—ก๐—” – ยซย ๐—–๐—Ÿ๐—œ๐—ก๐—œ๐—ค๐—จ๐—˜ ๐— ๐—ข๐—•๐—œ๐—Ÿ๐—˜ย ยป ๐— ๐—”๐—ฅ๐—ข ๐— ๐—œ๐—ง๐—˜๐—ง๐—ฌ ๐—œ๐—ฆ๐—”๐—ก๐—”๐—ก๐——๐—ฅ๐—ข ๐—œ๐—ฅ๐—˜๐—ข ๐—ง๐—ข๐—•๐—ฌ ๐—™๐—”๐—ก๐——๐—ฅ๐—”๐—œ๐—ฆ๐—”๐—ก๐—” ๐—ง๐—ฅ๐—”๐—•๐—ข๐—œ๐—ก๐—”

Ankasitrahana feno ny ASSOCIATION FITIA sy ny ย ยป Direction des Affaires Sociales et Politiques de la Prรฉsidence – DASPย ยป ary ny Mpiaramiombonantoka izay ahitana ny UNFPA Madagascar, OMS Madagascar, Fisa Madagascar, Marie Stopes Madagascar, ASOS Madagascar…, amin’ny tantsoroka

Ankoatra ny Fizaham-pahasalamana ankapobeny sy ny fanomezana fanafody maimaimpoana dia maro ireo tolotra ara-pahasalamana azontsika sitrahana amin’izany, toy ny:
– Fandrindrana Fiainam-pianakaviana (PF),
– Fanaovam-baksiny,
– Ady amin’ny tsifanjariantsakafo ho an’ny zaza latsaky ny 05 taona.

Eo ihany koa ny fanentanana mikasika ny fisorohana ny vohoka aloha loatra eo amin’ny ankizy sy ny tanora, ny vohoka tsy niriana ary ny fisorohana ny herisetra mianjady amin’ny lahy na ny vavy.

Tolotra feno tanteraka araka izany no atolotry ny Fitondram-panjakana amin’ny alalan’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka sy ny Mpiara-miombon’antoka eny anivon’ireny Toby Fandraisana Traboina ireny ahafahana manatsara ny fiainan’izy ireo indrindra amin’ny sehatry ny fandrindrana ny Fiainam-pianakaviana, mba ho zaza niriana, tomady sy ampy sakafo no ho hita isan-tokantranon’ny Vahoaka malagasy.

Sary: Fandraisana an-tanana ny Fahasalaman’ireo traboina ao amin’ny ANS Ampefiloha.
#Mifanohana_hatrany
#Iray_vatsy_iray_aina
#Fahasalamana_ho_an_ny_daholobe_tsy_anavahana_sokajin_taona

@Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka
@Association Fitia Officiel sy ny Direction des Affaires Sociales et Politiques de la Prรฉsidence
@UNFPA Madagascar
@OMS Madagascar
@Fisa Madagascar
@Marie Stopes Madagascar
@ASOS Madagascar

SCM/DIRCOM-MSANP