Fahasalamana Manakaiky Vahoaka

Tonga nijery ny zava-misy iainan’ny vahoaka traboina tao amin’ny Distrikan’i Moramanga, faritra Alaotra Mangoro, ny Filoham-pirenena Andry RAJOELINA omaly, nandritra ny fidinany tany an-toerana, notronin’ireo tomponandraikitra samihafa eo anivon’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka.

Eny ifotony hatrany, mijery ny fahasalaman’ireo traboina ny mpiasan’ny Fahasalamana, ary tsy ny eto an-drenivohitra sy ny manodidina ihany no sahanina amin’izany fa ireo faritra rehetra ahitana traboina, ka isan’izany ny ao amin’ny Distrikan’i Moramanga.

Manao ny ainy tsy ho zavatra ireo mpiasan’ny Fahasalamana ao an-toerana mandray an-tanana ny traboina. Omaly, dia nahatratra 185 ny isan’ireo nisitraka ny tolotra fahasalamana maimaimpoana tao Moramanga.

Nomena fanampiana Vatsy Tsinjo sy Tosika fameno avy amin’ny Fitondram-panjakana ihany koa ireo traboina, hanalana fahasahiranana amin’izao voina izao.

#Fahasalamana_ho_an_daholobe_tsy_hanavahana_sokajin_taona