๐—”๐—ป๐˜๐—ฎ๐—ป๐—ฎ๐—ป๐—ฎ๐—ฟ๐—ถ๐˜ƒ๐—ผ, ๐Ÿฎ๐Ÿด ๐—ท๐—ฎ๐—ป๐—ผ๐—ฎ๐—ฟ๐˜† ๐Ÿฎ๐Ÿฌ๐Ÿฎ๐Ÿฎ |ANTSONGO ANTSIRABE I : FANDRAISANA AN-Tร€NANA NY FAHASALAMANโ€™ IREO TRABOINA

Antananarivo, 28 janoary 2022 | Maro ny takaitra navelan’ny andro ratsy izay niteraka rotsak’orana lavareny taminโ€™ny faritra maro teto Madagasikara. Vokany, fianakaviana an’aliny no rava fananana ka lasa traboina, ary tena lasibatra tamin’izany ny faritra iva sy ny manodidina azy.

Santionany amin’izany ny faharavana trano niseho tany Antsongo, distrikan’ny Antsirabe I, ny 23 janoary 2022 lasa teo ka olona miisa 22 no lasa traboina. Manoloana izany tranga izany, nandray ny andraikitra tandrify azy avy hatrany ny ekipan’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka taminโ€™ny alalanโ€™ny Fitalevam-paritry ny fahasalamam-bahoaka ao Vakinankaratra. Taorian’ny fizaham-pahasalamana natao, marary 18 no nahazo fitsaboana sahaza sy fanafody.

Ny Fitondram-panjakana Malagasy aminโ€™ny alalanโ€™ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka dia eo anilan’ny vahoaka mandrakariva, ary mirary antsika rehetra ho tomady sy salama lalandava.

SCM/DIRCOM-MSANP