๐—™๐—”๐—ก๐—”๐—ฅ๐—”๐—›๐—”๐— ๐—”๐—ฆ๐—ข ๐—ก๐—ฌ ๐—ž๐—”๐—Ÿ๐—œ๐—ง๐—”๐—ข๐—ก’๐—ก๐—ฌ ๐—™๐—”๐—ก๐—”๐—™๐—ข๐——๐—ฌ

 

Ho fanatanterahana ny velirano faha-5 ยซย Fahasalamana ho an’ny rehetra tsy anavahana sokajin-taonaย ยป, dia manohy ny ezaka hatrany ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka amin’ny fanatsarana ny tolotra ara-pahasalamana sy ny fitandrovana ny fahasalamam-bahoaka . Isan’izany ny tolotra fanafody tsara kalitao, sitrahan’ny vahoaka amin’ny fotoana rehetra ilany izany.

 

Ny fitaleavana miandraikitra ny fanafody eto anivon’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka (ยซย Agence du Mรฉdicament de Madagascarย ยป) no mijery ny kalitaon’ny fanafody alohan’ny fampidirana azy eto Madagasikara sy ny fanomezana ny fahazahoan-dalana hivarotana izany.

 

Nanomboka omaly 01 Febroary 2022, ka haharitra efatra andro, no anaovana atrikasa ho famaritana ny fomba fiasan’ireo vondrona manara-maso ny kalitaon’ny fanafody, ny tondrozotram-pirenena mikasika ny fanaraha-maso ny kalitaon’ny fanafody ary koa hianarana ny fampiasana ilay fitaovana hamaritana ireo toerana saropady sy tranga-javatra mety hanimba ny kalitaon’ny fanafody.

 

Tanjona ny hananana fandaharanasa fohy ho fanaraha-maso ny kalitaon’ny fanafody mba hahafahana miantoka izay kalitaon’ny fanafody vatsiana ho an’ny vahoaka, izay anisan’ny antoky ny fahasalam-bahoaka.

 

๐—ฆ๐—–๐— /๐——๐—œ๐—ฅ๐—–๐—ข๐— -๐— ๐—ฆ๐—”๐—ก๐—ฃ