๐— ๐—œ๐—ง๐—ข๐—›๐—ฌ ๐—ก๐—ฌ ๐—™๐—”๐—ก๐—”๐—ข๐—ฉ๐—”๐— -๐—•๐—”๐—ž๐—ฆ๐—œ๐—ก๐—ฌ ๐—”๐—ก๐——๐—”๐—ฉ๐—”๐—ก๐—”๐—ก๐——๐—ฅ๐—ข ๐—›๐—ข ๐—”๐—ก’๐—ก๐—ฌ ๐—ญ๐—”๐—ญ๐—” ๐—Ÿ๐—”๐—ง๐—ฆ๐—”๐—ž๐—ฌ ๐—ก๐—ฌ ๐—ฅ๐—ข๐—” ๐—ง๐—”๐—ข๐—ก๐—” ๐—˜๐—ก๐—ฌ ๐—”๐—ก๐—œ๐—ฉ๐—ข๐—ก’๐—ก๐—ฌ ๐—ง๐—ข๐—•๐—œ๐— ๐—ฃ๐—”๐—›๐—”๐—ฆ๐—”๐—Ÿ๐—”๐— ๐—”๐—ก

 

Anisan’ny fiarovana mahomby amin’ny valanaretina ny vaksiny, na ho an’ny zaza izany na ho an’ny lehibe.

 

Raha ho an’ny zaza latsaky ny roa (2) taona manokana dia mitohy ny fanaovam-baksiny andavanandro (Vaccination de routine) eny anivon’ny Tobimpahasalamana.

 

Tamin’ity volana janoary ity dia nahatonga vaksiny:

– ยซย Polio Bivalent -bVPO): 3 564 000 fatra,

– DTC HepB Hip: 216 000 fatra,

– BCG: 1 576 000 fatra,

– PCV 10: 216 000 fatra,

ny Fanjakana Malagasy, amin’ny alalan’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka.

 

Miverina amin’ny laoniny araka izany ny fanaovana vaksiny BCG eny anivon’ny Tobimpahasalamana raha nisy olana noho ny fahataran’ny famatsiana izany vaksiny izany nanomboka ny volana Novambra 2021. Distrika 21 ao anatin’ny faritra 06 izay ahitร na ny Faritra ANALAMANGA, ATSINANANA, BONGOLAVA, MATSIATRA AMBONY, MENABE, ATSIMO ATSINANANA no efa nahazo ny anjara fatrany nanomboka ny fiandohan’ity volana febroary ity.

 

Isaorana ny UNICEF amin’ny tantsoroka amin’ny fanapariahana ireo vaksiny ireo manerana ny faritra.

 

Ny Fitondram-panjakana amin’ny alalan’ny Ministeran’ny fahasalamam-bahoaka miaraka amin’ireo mpiaramiombonantoka aminy dia mikaroka ny vahaolana rehetra hanatsarana ny rafi-pahasalamana eto Madagasikara indrindra ny fahasalaman’ny Reny sy ny zaza izay teboka voalohany ao anatin’ny velirano fahadimy.

 

Fampitam-baovao: Direction du Programme Elargi de Vaccination Msanp-Madagascar.