๐—”๐——๐—ฌ ๐—”๐— ๐—œ๐—ก’๐—ก๐—ฌ ๐—–๐—ข๐—ฉ๐—œ๐——-๐Ÿญ๐Ÿต: ๐—™๐—”๐—ก๐—ข๐—Ÿ๐—ข๐—ฅ๐—”๐—ก๐—” ยซย ๐—˜๐—ฃ๐—œย ยป ๐—ฆ๐—ฌ ๐—ž๐—ข๐—๐—”๐—ž๐—ข๐—๐—” ๐—›๐—ข ๐—”๐—ก’๐—ก๐—ฌ ๐—Ÿ๐—”๐—•๐—ข๐—ฅ๐—”๐—ง๐—ข๐—”๐—ฅ๐—” ๐—”๐—ฉ๐—ฌ ๐—”๐— ๐—œ๐—ก’๐—ก๐—ฌ ยซย ๐—™๐—ข๐—ก๐——๐—”๐—ง๐—œ๐—ข๐—ก ๐— ๐—˜๐—ฅ๐—œ๐—˜๐—จ๐—ซ

 

๐—”๐—บ๐—ฏ๐—ผ๐—ต๐—ถ๐—ฑ๐—ฎ๐—ต๐˜†, ๐Ÿฌ๐Ÿฐ ๐—ณ๐—ฒ๐—ฏ๐—ฟ๐—ผ๐—ฎ๐—ฟ๐˜† ๐Ÿฎ๐Ÿฌ๐Ÿฎ๐Ÿฎ – Mpiantsehatra voalohany amin’ny ady amin’ny covid-19 ny mpiasan’ny Fahasalamana ary mifanerasera mivantana amin’ny marary isanandro.

 

Anisan’ny vaindohan-draharahan’ny Fanjakana Malagasy amin’ny alalan’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka ny fiarovana azy ireo manoloana ny valanaretina covid-19.

 

Misokatra amin’ny fiaraha-miasa amin’ny rehetra ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka amin’ny fanatanterahana izany. Manao tohi-vakana ireo Mpiara-miombon’antoka, maneho firaisankina manome tanana ho fiaraha-mientana amin’ny ady amin’ny valanaretina covid-19 izay mbola hita soritra eto amintsika.

 

Tontosa androany maraina, teto amin’ny Foiben’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka Ambohidahy ny fandraisana tamin’ny fomba ofisialy ireo fitaovana fiarovana (E.P.I) sy fitaovana ho an’ny laboratoara izay natolotry ny Fondation Mรฉrieux ho an’ny Ministeran’ny fahasalamam-bahoaka.

 

ยซย Tonga amin’ny fotoana izay ilร na azy tokoa ireto fitaovana ireto ary hosinjaraina eny anivonโ€™ireo hopitaly maro manerana ny faritra araka ny filany avyย ยป araka ny nambaran’ny Dr YASMINE Lethicia Lydia, Sekretera Jeneralin’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka, izay nisolo-tena an’ Andriamatoa Minisitra nandray ireo fitaovana ireo.

 

Misaotra ny ยซย FONDATION MERIEUXย ยป amin’ny tantsoroka ary mankahery hatrany ny mpiasan’ny Fahasalamana rehetra tsy ankanavaka amin’ny adidy izay sahaniny.

 

๐—œ๐˜€๐—ถ๐—ธ๐—ฎ ๐—ฟ๐—ฒ๐—ต๐—ฒ๐˜๐—ฟ๐—ฎ ๐—บ๐—ถ๐—ฎ๐—ฟ๐—ฎ-๐—บ๐—ฎ๐—ป๐—ฑ๐—ฟ๐—ฒ๐˜€๐˜† ๐—ป๐˜† ๐—–๐—ผ๐˜ƒ๐—ถ๐—ฑ-๐Ÿญ๐Ÿต

๐—”๐—ฟ๐—ผ๐˜ƒ๐˜† ๐—ป๐˜† ๐˜๐—ฒ๐—ป๐—ฎ๐—ป๐—ฎ๐—ผ

๐—”๐—ฟ๐—ผ๐˜ƒ๐˜† ๐—ธ๐—ผ๐—ฎ ๐—ป๐˜† ๐—ต๐—ฎ๐—ณ๐—ฎ

 

๐—ฆ๐—–๐— /๐——๐—œ๐—ฅ๐—–๐—ข๐— -๐— ๐—ฆ๐—”๐—ก๐—ฃ