Anisan’ireo Faritra nahitana fahasimbana maro vokatry ny fandalovan’ny rivodoza Batsirai ihany koa ny Faritra Matsiatra Ambony. Nidina ifotony nijery ny zava-misy tany an-toerana, omaly sy androany Alarobia 09 febroary 2022, ary nitondra fanampiana avy hatrany ho an’ireo Mpiray Tanindrazana traboina ny delegasiona avy amin’ny Fitondram-panjakana izay notarihan’ny Filohan’ny Repoblika, Andry RAJOELINA.
Isan’ireo mpikambana ao amin’ny Governemanta nanotrona azy tamin’izany Andriamatoa Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, Prof. RANDRIAMANANTANY Zely Arivelo.
ยซย Trano atsimo sy avaratra izay tsy mahalen-kialofanaย ยป, ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka dia miara-mientana ary vonona mandrakariva ny hitondra ny anjara birikiny amin’ny asa fanampiana ny Mpiray Tanindrazana toy izao.
Mankahery hatrany ihany koa ireo mpiasan’ny fahasalamana manerana ny Nosy izay tsy mandry andro, tsy mandry alina amin’ny fanatanterahana ny adidiny.
Sary: DRSP Matsiatra Ambony – SCM/DIRCOM-MSANP