Ny ยซย SILOPย ยป na ยซย Service des Infrastructures, de la Logistique et du Patrimoineย ยป dia sampandraharaha iray eo anivon’ny Fitaleavana misahana ny raharaham-pitantanana sy ara-bola (DAAF) eto anivon’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka.
Eo Tsaralalร na, anilan’ny ยซย Hotel des Policesย ยป no misy ny biraon’ny ยซย SILOPย ยป.
Raha bangoina amin’ny ankapobeny izany dia ity sampandraharaha izay ahitร na mpiasa maherin’ny 50 ity no miandraikitra ny fitantanana sy ny fikojakojana ireo fananan’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka.
Tontosa omaly 11 Febroary 2022, ny famindram-pitantana teo amin’ny Lehiben’ny Sampandraharaha teo aloha, Andriamatoa Jocelyn RATSIMBA sy ny Lehiben’ny Sampandraharaha vaovao, Andriamatoa ANDRIANARISON Jean Aimรฉ Botosera.
Tonga nanome voninahitra ny fotoana, Andriamatoa Tsihory RAHARISON, DAAF eto anivon’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka.
SCM/DIRCOM-MSANP