ยซย Fahasalamana ho an’ny daholobe tsy anavahana sokajin-taonaย ยป n’aiza na aiza no misy azy eto Madagasikara no velirano fahadimin’ny Fitondram-panjakana ankehitriny amin’ny alalan’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka.
Paik’ady iray enti-manatanteraka izany ny fitsaboana manakaiky vahoaka, sy mamร ly ny filan’ny vahoaka amin’ny fananganana Tobimpahasalamana fototra (CSB II) manaraka ny fenitry ny fanorenana maoderina, ary manaraka ny fenitry ny fivoaran’ny asa fitsaboana manerantany.
Isan’ireo nisitraka izany ny Faritra Analamanga. Indro aseho antsika an-tsary ny fandraisana ara-teknika ny CSB II Ikianja Ambohidratrimo izay notanterahina ny 11 febroary 2022 lasa teo.
Sary sy fampitam-baovao: DRSP Analamanga