π—™π—”π—‘π—”π— π—”π—™π—œπ—¦π—”π—‘π—” 𝗑𝗬 π—₯π—”π—™π—œ-π—£π—”π—›π—”π—¦π—”π—Ÿπ—”π— π—”π—‘π—”: 𝗑𝗔𝗛𝗔𝗭𝗒 π—šπ—˜π—‘π—˜π—«π—£π—˜π—₯𝗧 𝗑𝗬 𝗖𝗛π—₯π—₯ 𝗙𝗔π—₯π—”π—™π—”π—‘π—šπ—”π—‘π—”

 

Notoloran’ny Fitondram-panjakana Malagasy amin’ny alalan’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka sy ireo Mpiara-miombon’antoka aminy « GenExpertΒ Β» vaovao ny laboratoara ao amin’ny CHRR Farafangana, Faritra Atsimo Atsinanana.

 

Ankoatra ny fitiliana ny covid-19, dia maro ireo aretina azo tiliana amin’ny alalan’ny

« GenExpert ».

 

Tombony lehibe ho an’ny Faritra Atsimo Atsinanana araka izany ny fahazoana izao fitaovam-pitiliana manarapenitra izao, izay ahafahana mitily sy mandray an-tanana mialoha ny tranga ary misoroka ny fiparitahan’ny valanaretina.

 

Mialoha ny fanatanterahana ny hetsika « Cliniques MobilesΒ Β» mitety vohitra tao amin’ny Distrikan’i Farafangana no nanoloran’ Andriamatoa Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka tamin’ny fomba Γ΄fisialy izao fampitaovana lehibe izao.

 

Nanome voninahitra izany ireo Olomboafidy sy Manampahefana isan-tsokajiny any an-toerana izay nahitana an’ Andriamatoa Loholon’i Madagasikara avy amin’ny Faritra Atsimo Atsinanana sy Ramatoa Solombavambahoakan’i Farafangana, ary Andriamatoa Talen’ny Fitaleavam-paritry ny Fahasalamam-bahoaka Atsimo Atsinanana.

 

SCM/DIRCOM-MSANP